Foi et Lumière - Accueil du site
Transcription
Foi et Lumière - Accueil du site
Foi et Lumière Finoa na sy fahazava na Taona faha - 18 Laharana : 05 May - Jona 2015 BELGIQUE - BELGIE P.P 5060 AUVELAIS P 834 Editeur Responsable : Hery RASOAMANANA Rue A.Chif 31 - 6200 CHATELINEAU Matoandahatsoratra Adiny iray sy sasany . Izany no fotoana lany anaovana 13 km raha hihazo an’Iarivo amin’iny Lalam-pirenena voalohany iny ianao .Telopolo taona lasa anefa izay dia mbola vita ao anatin’ny 20 mn izany halaviran-dalana izany : miala any amin’ny fonenanay izahay amin’ny Enina ora sy fahefany maraina handeha hianatra, ary tonga any Ambohijatovo-Avaratra amin’ny fito latsaka dimy. Tsy tara ! Tsy ny lalampirenena voalohany ihany no mandany fotoana fa ny lalana rehetra manodidina an’Iarivo rehetra.Taorian’ny orambe sy ny rivodoza volana Janoary sy Febroary dia loaka ny ankamaroan’ny lalampirenena sy ny lalana vao « nohavaozina » tao an-drenivohitra. Ny ankamaroany anefa dia efa talohan’izany fotoana izany .Fa dia nahoana loatra ry havana no lasa tahaka izao ity firenentsika, ny renivohitra sy tanàna lehibe manerana an’i Madagasikara ? Tao anatin’ny efa-taona monja dia rotika ny tanàna. Tsy nisy fikarakarana ve sa odian-tsy hita ? Tsy afenina fa nisy koa ny zara fa vita tamin’ireny làlana ireny. Ny tendrombohitra kely eran’ny tanana dia feno etsy sy eroa nandritra ny volana Aprily. Ny fofona amin’izany tsy hita izay ilazana azy. Ny mpivavaka anefa rehefa Alahady na asabotsy na Zoma dia madio tsara avokoa : na zaza na lehibe. Ao ny taterin’ny fiarakodia raitra hatreo am-bavahadim-piangonana na ambavahadin’ny « mosqué ». Tsy misy mahita ny fako mitoby eo amoron-dalana ny rehetra satria handeha hivavaka... Tsy mahita ny fako mitoby etsy sy ireo ihany koa ny ministra na filohampirenena rehefa ao anaty fiarakodia katrakatraka ialohavan’ny « bemoto » mikiririoka ... satria maika ! Lasa ny saiko ary atosako aminao mpamaky : rehefa hivavaka na maika ve dia adino ny loto sy ny fofona maimbon’ny firenena? Mba tsy ho izany anie no mbola hiainan’ny taranatsika Malagasy afaka roapolo taona ao an-tanindrazana ao . Iriko hiova amin’ny tsara ny tananatsika tsirairay amin’ny volana septambra, raha tahiny ka ho vita ihany ny fifidianana ho ben’ny tànana amin’ny faha 31 Jolay hoavy izao. Fadio ny mifdy fakofakon’olona e ! Na izany na tsy izany, fadio ny manarinary fako etsy sy eroa rehefa mandalo tanana misy havana satria tsy fanariam-pako i Gasikara ! Miala tsiny aminao raha zavatra somary mahasorena no hamaranako ny taona eto amin’ny gazetintsika.Taratry ny fiainam-pirenena ankehitriny angamba O ? Hihaona soa amin’ny volana septambra e ! Hr. Taona faha - 18 Laharana : 04 Foi et Lumière Finoa na sy fahazava na Martsa - Aprily 2015 Fampaherezana : « Aza mitsara araka ny miseho, fa mbà mitsarà marina » (Jaona 7 : 24) Tsy hanazava io andinin-tsoratramasina io aminao mpamaky aho araka izay mahazatra, fa tiako kosa hitarika ny sainao hieritreritra sy handinika eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina fa nisy olona anankiray voalazan’ny baiboly, nosinganiko tamin’ireo maro, nahatanteraka io Tenin’Andriamanitraio , dia ilay jiolahy anankiray niara-nohombohana tamin’i Kristy Jesoa. Izao no teniny raha nananatra ilay namany nanevateva an’Andriamanitra izy : «Moa ianao tsy mbà matahotra an’Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao izao aza ? Ary « marina « ny anamelohany antsika, fa ity lehilahy ity kosa «Tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza »; izany hoe : « tsy meloka ». Nitsara marina ny tenany izy ary nitsara marina an’i Jesoa ; nitsara marina izy satria Andriamanitra no nanome azy «fahamarinana ao am-po sy fahendrena ao amin’ny miafina» (Sal. 51 : 16). Azo antoka sy itompoana fatratra fa tsy afaka hitsara marina mihitsy ny olona « tia vola, mpila harena, matimboninahitra », dia ireo voagejan’ny fitiavantena . Soa ihany fa mahari-po sady be famindram-po ny Tompo Andriamanitry ny kristiana ka tsy sasatra ny manambara ny sitrapony izay «tsara sady ankasitrahana no marina » amin’ny olombelona rehetra , indrindra amintsika « zanany sy nalainy ho fananany». Izao ary ny hafatra sy fampaherezana ho antsika izay mamaky izao lahatsoratra izao : « ...mivavaha sy mangataha ho anareo mba hofenoina fahalalàna tsara ny sitrapony (sitrapon’Andriamanitra) ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy Masina, mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony (sitrapon’Andriamanitra) amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny « Fahalalana tsara » an’Andriamanitra... » araka izay nampaherezin’i Paoly Apostoly ireo kristiana tany Kolosia (Kol.1 : 9-10). Ho an’Andriamanitra Ray sy zanaka ary fanahy Masina mandrakariva ny Voninahitra. Razefania Arsène, Loholona FJKM-Fenoarivo/Atsimondrano L’Esprit saint de Dieu L’Esprit saint, qui « souffle où il veut » et dont on ne sait « ni d’où il vient ni où il va » (Jn 4,8), est profondément entouré de mystère. Pourtant, pour les croyants, « il demeure auprès d’eux et il est en eux » (voir Jn 14,17). Parler de l’Esprit saint est une entreprise à la limite de l’impossible ! Il est le secret de Dieu. Il est la puissance grâce à laquelle Dieu est sorti dans le monde et a rempli de sa présence la création tout entière. Les chrétiens ne peuvent donc pas le décrire en lui-même, mais uniquement à travers ses « effets ». Ils expérimentent en effet constamment sa présence, car il est « l’amour de Dieu répandu dans nos cœurs » (Rm 5,5). Que nous en soyons conscients ou non, nous vivons toujours du Saint-Esprit, faute de quoi nous ne serions pas réellement chrétiens. L’Esprit saint agit de façon intérieure, non pas dans des phénomènes extraordinaires, mais en introduisant l’« extraordinaire » dans notre vie chrétienne quotidienne. Il se manifeste dans l’esprit humain, mais le dépasse, le vivifie, le purifie, le sanctifie… L’Esprit saint n’est pas une force impersonnelle de la nature, ni une vertu immanente à l’homme, mais il est vie donnée, vie authentique. Là où la vie est vraie, et non simple apparence de vie, là est l’Esprit saint. Là où se trouve la liberté parfaite des enfants de Dieu, là se trouve l’Esprit saint. Là où s’ouvre une brèche permettant la communication entre l’humain et Dieu, voilà l’Esprit saint ! Mais en réalité, l’Esprit saint ne demande pas qu’on parle de lui. Il attend au contraire qu’on l’invoque et qu’on le laisse agir efficacement en chacun de nous. Matthias Wirz. VAOVAON’NY MKMB : *Hifarana sahady ny taom-pianarana 2014-2015 : Ry havana ary efa manomboka midanika ny andro. Mitondra am-bavaka manokana ny mpianatra hanao fanadinana ny mpiaramivavaka .Ho To izay kinasa rehetra ary tsy ho raraka ny ilo mby an-doha napetraky ny ray aman-dreninareo rehetra . Herezo fa izany no anton-dia aty . Ny fandaharana rehetra eto amin’ny MKMB kosa dia mitohy foana . Aza adino ny fiombonam-bavaka isaky ny Alarobia hariva , na any an-tokantranonao , na sendra mandalo ianao : isaky ny amin’ny Eninaora sy sasany hariva (18h30-20h) , ao amin’ny Botanique (Métro Botanique). Ireo fotoana hafa : *Asabotsy 4 Jolay 2015 : «Barbecue-party. Maraka sy atolotry ny tanora rehetra ato amin’ny MKMB. *Alahady 26 Jolay 2015 : Fanompoampivavahana , @ Telo ora hariva -Eglise du Botanique. *Asabotsy 15 Aogositra 2015 : Fiarahana maka rivotra . *Alahady 30 Aogositra 2015 : Fanompoampivavahana , ao amin’ny Botanique. @telo ora (15h). Dieny izao : *Alahady 20 Septambra 2015 : Isika rehetra miara mivavaka any Verviers-Laureux . 33, rue Laoureux -4800 Verviers. Hanfana ny fotoana ny amboarampeo « Ny Avana ». Fiarahamisakafo sy fihaonana amin’ny Malagasy rehetra any an-toerana aorian’ny fanompoampivavahana . *Alahady 27 Septambra 2015 : Fanompoampivavahana fidirana , fandraisana ny vaovao.- BotaniqueBruxelles. Zahao miandalana ao amin’ny tranonkalantsika ny fandaharana : www. mkmb.be www.mkmb.be 2 Taona faha - 18 Laharana : 04 Foi et Lumière Finoa na sy fahazava na * Fifandraisana : Manasa antsika hijery ny « Seraseram-pifandraisana FJKM » ao amin’ny facebook. Miara miasa aminfifandraisana FJKM ny « Finoana sy Fahazavana » MKMB ary mifanakalo vaovao , nanomboka tamin’ny volana Marsa-Avrily lasa teo. Ny antony lehibe hifanakalozana dia ny anarahantsika ny vaovaom-piangonana any Madagasikara , amin’ny maha zanaky ny FJKM antsika . *Fisaorana avy amin’ny Fianakavian’i Sahondra Razoeliarivelo. (Glimes): Fisaorana sy fankasitrahana feno no atolotray fianakaviana manontolo ho anareo, namana sy tapaka ary ny fikambanana, izay nidodododo,nampahery sy nampionona aram-pomba malagasy sy kristiana. Martsa - Aprily 2015 Fisaorana manokana ho an’ny fiangonana MKMB nitrotro am-bavaka. Taratray fianakaviana ny firaisankina sy firahalahina ka tsy navelanareo irery ny tokatrano taty an-tany lavitra nidonan’ny fahoriana taminy namoizana an’i Ramatoa RAZAFINDRAVELO MARTHE Tonga soamantsara an-tanindrazana ny razana ary tsara levina ny maty, koa Andriamanitra,Tompo mahery anie hamaly fitia anareo. Hoy ny fianakaviana manontolo. (Belgique – Frantsa - Vohémar -Madagascar). Rotterdam ! Dimanche 15 mars, la communauté Protestante Malgache au Benelux (MKMB) avec la chorale « Ny Avana » a eu l’honneur d’être invitée à l’église Wallone de Rotterdam. Le temps n’était pas de notre côté –nous avions eu de la neige en partant des Ardennes- mais cela importait peu car la chaleur humaine était présente et nous a réchauffé. Dès notre arrivée, nous avions été accueillis par des paroissiens formidables. Le principal sujet de conversation du matin était « A quelle heure es-tu parti de chez toi ?». Le plus tôt avait démarré à 5h de chez lui à Reims. D’autres partaient de moins loin comme Lahaye ou Amsterdam. On pourrait qualifier cela comme une belle preuve de « Fitiavana ». Après les brèves présentations, c’était l’heure du culte. Deux choses m’ont marquée pendant le culte. La première était que le pasteur qui nous a demandé d’applaudir la chorale même si nous, en tant que protestants on ne le fait pas généralement : selon lui, les temps changent et évoluent. La deuxième chose qui m’a marquée était pendant la prédication. Le pasteur a dit « Le paradis c’est d’être curieux de l’autre ». C’était un message tellement beau qui nous incite à mieux connaître l’autre, à ne pas le juger trop vite, à comprendre ce qu’il vit. C’est facile de critiquer mais plus difficile de se mettre à la place de l’autre. Je pense que si tout le monde essaie de connaître l’autre, on serait plus heureux. Par après, nous avions fait une collecte pour soutenir les « traboina » qui ont été victimes de l’inondation à Madagascar. On a pu récolter 180€ qui seront rajouter ce que la diaconie a donné. Pour nous cette somme peut représenter une bagatelle, mais pour ceux qui n’ont plus rien ce geste représente énormément. Après le culte nous avions eu l’occasion de partager un repas tous ensemble. Ce fut un moment très convivial. Comme à leurs habitudes les malgaches ne se sont pas empêchés de chanter. Pendant les chansons, j’ai vu dans les yeux des « non-malgaches » une sorte d’émerveillement : c’était la curiosité envers l’autre. En résumé, c’était une très belle journée et on attend avec impatience la prochaine rencontre. Onifitia Randresihaja. www.mkmb.be 3 Taona faha - 18 Laharana : 04 Foi et Lumière FAHANO ARY NY ONDRIKELIKO I Pet. 4 : 7-9. « Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra ; koa hendre ka mahonona tena ho amin’ny fivavahana .Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara ; fa ny fitiavana manarona fahotana maro. Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona ». Ao antin’ny fankem-pinoana tonon’ny fiangonana sy araka ny Soratra masina rahteo ny « hoavy indray ny Tompo Jesoa hitsara ny velona sy ny maty ». Efa nampianatra antsika hivavaka toy izao koa Izy : « Ho tonga anie ny fanjakanao». Tsy hanao asam-pamonjena intsony izy satria efa vitany izany. Hitsara ny olona rehetra no hahatongavany ka hanavaka izay Azy ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ary hanilika ny fiainantsika sy ny asa nampanaoviny antsika isika olona navotany . Fampiomanana roa àry nonasain’i Petera Hotanterahintsika mandra-piavin’ny Tompo. I-Fiomanana amin’ny vavaka « Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra ka hendre ka mahonona tena amin’ny fivavahana » (and.7) . Mibanjina ny hoavy i Petera eto, ka ny mahamaika azy dia ny handraisantsika mpamaky ny Soratra Masina ho anatra sy fampiomanana satria antomotra ny farany. Raha ny ao an-tsain’ity Apostoly ity aza dia amin’izao taranaka indray mihira misy azy izao no hahatongavan’ny farany. Ny fananana fiainam-bavaka isan’andro no fahendrena ambony indrindra raha miandry ny farany ny mino. Ampirisihina koa ny Fiangonana mba haharitra ho mahatoky amin’ny fivavahana lalandava (Rom. 12 : 12), hivavaka mandrakariva (Lio. 18 : 1), hivavaka tsy hitsahatra (I Tes. 5 : 17), hivavaka amin-kery (Jak. 5:16).Rehefa mivavaka toy izany isika dia madio ny fo amam-panhintsika, tsara ny fifankatiavana amin’ny olona rehetra, mahery ny finoantsika ary tsy azon’ny devoly rebirebena intsony isika.Tsy hamaky loha mitady izay ora sy andro ary volana sy taona hiavian’i Jesoa isika fa fivavahana no fiomanana tsara indrindra. Mandravona ny fahendrena tokoa ny mivavaka satria i Satana koa dia efa miomana sy miasa fatratra hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany. Ho tonga amin’ny tsirairay avy ny fahafatesana. Koa na ny fotoana alohan’ny fahafatesana na ny fotoana hiverenan’ny Tompo dia samy hiomanan’ny mino avokoa mba tsy hoavy tampoka aminy izany. Ny fiomanantsika amin’ny alalan’ny vavaka dia fampirisihina antsika hiady ny ady tsaran’ny finoana mba ho vonona hitsena ny Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra isika, tahaka ny Tompo efa vonona hitsara ny velona sy ny maty . Tsy tokony hisy mihitsy fotoana tsy hieritreretan’ny mino ity fiavian’ny Tompo ity. Fotoana volamena aminy mantsy io, noho izy efa manantena ny handray ny satroboninahitry ny fiainana. Ny votoatin’ny vavaka amin’izany dia ny fanafainganana nyfahatanterahan’ny hataka nampianarin’i Jesoa hoe : « Ho tonga anie ny fanjakanao », ny hahazoan’ny fiangonana mitory ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izao tontolo izao. Tsy ho tonga mantsy ny andro farany raha tsy voatory maneran-tany ny famonjen’Andriamanitra tao amin’i Kristy araka ny teniny hoe : «Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity Filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany » (Mat. 25 : 43). Ny vavaka fiambenana no atao isan’andro araka ny tenin’i Jesoa ihany : « Koa miomàna kosa ianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hiavian’ny Zanak’olona » (Mat. 25 : 43) . Miambina mandrakariva satria tsy mitsahatra mamely ny fahavalo. Misaotra ny Tompo isika Finoa na sy fahazava na Martsa - Aprily 2015 taranaka ankehitriny fa mbola nomeny fotoana hiomanana amin’ny alalan’ny vavaka . Toro-marika tsotra no omena eto raha miandry ny farany isika, dia : « koa hendre ». Inoan moa izany : tokony ho mazava saina, mahafehy tena, mahalala oniny amin’ny zavatra rehetra : hanina, fitafiana, lalao sns.. II-Fiomanana amin’ny fifankatiavana tsara. Jesoa teo amin’ny Hazofijaliana. Fitiavana manery antsika tsy hipetra-potsiny ny Agape fa miasa tsara amin’ny fo tsotra tsy mila tambiny. Mifankatia tsara araka ny nafaran’i Jesoa ny mino miandry ny farany : « Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa » (Jao. 13 : 34). Lazain’i Petera fa misy vokany izany fifankatiavana tsara izany dia ny fanaronana fahotana maro . Ny fifankatiavana marina dia tsy mijery na mitsikera ny fahadisoana sy ny fahalemen’ny hafa. Tsy manao otri-po (I Kor. 13 : 5). tsy ny otan’ny namantsika ihany no voasaron’ny fitiavana fa ny antsika koa; satria araka ny hamelantsika ny heloky ny rahalahintsika no hanesoran’Andriamanitrana hamelany ny fahotantsika koa. Ny Ohabolana 10 : 12 dia milaza koa « fa ny fankahalana dia manetsika ady, fa ny fitiavana manarona ny ota rehetr a». Milaza izany fa misy asa atao ao anatin’ny fifankatiavana marina, dia ny fifanatonana ampirahalahiana araka ny tenin’i Jesoa hoe: « Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianreo roalahy, dia asehoy azy ny fahadisoany.. » (Mat. 18 : 15). rehefa mifampidinika am-pitiavana madio toy izany ny kristiana dia voasarona ny fahotana. Aoka samy hitana izay tsiambaratelo tao ny mpidinika mba ho mafy orina ny fifankatiavana . Diniho tsara, ry havako, fa Andriamanitra no efa nanome antsika ohatra toy izany : « izaho dia izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao. » (Isa.43 : 25). Noho ny fitiavan’Andriamanitra antsika dia voasarona sy tsy tsaroany intsony ny fahotantsika rehefa nifampidinika taminy isika (fibebahana) . Araka izany dia mahay mandefitra sy mamela ny fahadisoana ny fifankatiavana . Mampiray tsara ny ny fiangonana ny fitavana marina . Tsy tokony hisy intsony ny fisarahana sy nyfitokotokoana eo anivon’ny Fiangonana . Vavahadin’ny lanitra mantsy ny fiangonana ary ny dinan’ny fanjakan’ny lanitra dia ny fifankatiavana. Koa raha te handova ny lanitra ny mino dia tsy maintsy mifankatia izy, mahay mandefitra sy mifamela jeloka dieny ao amin’ny Fiangonana satria tsy misy famelan-keloka intsony any an-danitra . III-Fiomanana amin’ny mifampimonomonona : fampiantranoana ka aza Adidy masina ataon’ny kristiana ny mifampiantrano satria samy zanak’Andriamanitra ka mpiray tampo. Mahafoaka be ity fampiantranoana ity ka izay nambaran’i Jesoa ao amin’ny Matio 25 : 35-40 no mamintina azy : « Noana Aho dia nomenareo hanina ; nangetaheta Aho, dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoanareo ; tsy nana-kitafy Aho dia notafinareo ; narary Aho dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo. » Fanaon’ny Apostoly sy ny Kristiana taty aoriana koa ity fifampiantranoana ity mba hifampahery sy hifampita vaovao momba ny fiainan’ny fiangonana sy ny mpianakavin’ny finoana. Nahery vaika mantsy ny fanenjehana ny Fiangonana tamin’izany ka tsy maintsy nifampiantrano hifampivavaka sy hifampahery. Nisy ihany anefa ny nimonomonona, angamba noho ny fahasahiranana, na noho ny tahotra, na noho ny halainana fotsiny izao. Na izany aza anefa dia natao fomba raikitra teo amin’nyetika kristiana ny mifampiantrano. Nisy mihitsy sokajin’olona voateny manokana handray vahiny, toy ny Mpitandrina (ITim. 3 : 2). Tokony hatao an-tsitra-po sy am-pifaliana izany. Aoka tsy hadinoina mantsy fa i www.mkmb.be 4 Taona faha - 18 Laharana : 04 Foi et Lumière Finoa na sy fahazava na Kristy no ampiantranointsika rehefa mampiantrano ny hafa isika. « Araka izay nataonareo tamin’ireto rahalahiko kely indrindr aireto no nataonareo tamiko. » (Mat. 25 : 40) . Hita miharihary àry fa tena idiram-pitahiana sy fahasoavana ny tokantrano mandray vahiny. Mampiantrano ny Tompo izay mampandroso ny mpiray finoana . Ny Heb. 13:2 aza dia milaza fa tamin’ireny vahiny noraisin’ny kristiana ireny dia nisy anjely fa tsy fantany akory : « Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny ; fa tamin’izany dia dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany . » Mazotoa àry mampiantrano ny mpiray finoana sy izay heverintsika fa tokony hanaovana izany . Marina fa tena sarotra ny manatanteraka izany amin’izao toetr’andro ankehitriny izao . Betsaka mantsy ny rahalahy sandoka, maro ny ambodia dia ireo mpaminany sandoka tafiditra an-trano, tsy vitsy ireo mody sahirana sy mahantra , na ireo mody olona mihaja mila resaka amintsika nefa zava-doza no ataony sns... Tsy tokony ho kivy amin’ny tranga toy izany anefa isika fa hain’ny Fanhy Martsa - Aprily 2015 Masina foana no miteny amintsika sy mampahafantatra antsika ny vahiny marina sy ny sandoka. Izany rahateo no anton’ny ivavahana mba tsy hovoaroban’ny jiolahy sy hovoafitak’i Satana isika. Ny fiomanana ny amin’ny fiavin’ny Tompo dia tsy maintsy ataon’ny Fiangonana sy ny Kristiana . Tsy maintsy hoavy Izy . Koa ho very maina ny nijoroantsika ho mpanara-dia Azy sy ny nanokanantsika tena nanompo Azy sy ny namana raha tàhiny ka tsy miambina isika . Mivavaha sy mifankatiava ary mifampiantranoa àry fa izany no fahendrena tsara indrindra raha miandry ny fiavin’i Jesoa Kristy marina isika. Amena. Rtoa Ravelomanantsoa Vololomalala, Mpiandry FJKM Isotry Fitiavana UN BRIN D’ESPERANCE ( 6 ) L’espoir fait vivre’, disait un adage bien connu. La suite est rarement évoquée, puisque que tout un chacun n’aspire qu’ au calme, au bonheur, à la sérénité. Pourtant ,les évènements survenus ces temps derniers nous incitent à prendre la ‘plume’. En effet, pouvons-nous rester de marbre devant les divers troubles qui secouent le monde , devant les multiples « agressions » dont nous sommes l’objet quotidiennement, quelles que soient leurs formes ou leurs localisations ? (Cf. Cantique FFPM N° 617/4 : Tabataba lalandava no mba hitako izao ). Il n’y a pas de jour où les medias ne cessent de nous ‘massacrer’ avec les ‘scoops’ de tous genres, sur des évènements qui nous touchent de près, ou de loin . Les frasques de Herr Andreas LUBITZ n’ont-elles pas provoqué la psychose auprès des voyageurs réels, ou potentiels, surtout ceux qui prennent l’avion ? Et nous en passons ! Déjà, notre quotidien se conjugue avec le fameux ‘métro, boulot, dodo ‘. Aussi, se demande-t-on si nous avons encore le temps de réfléchir sur notre présent, sur notre avenir, comme sur notre devenir. Par ailleurs, les nouvelles que nous recevons, aussi bien de notre famille , que sur notre pays, à travers les Facebook, Mail ou autres sites Web des journaux malagasy ,ne sont pas toujours de nature à nous apporter la sérénité. Hélas , ces informations sont parfois amplifiées, voire déformées, au point de nous faire perdre nos repères et de perturber notre vie déjà mouvementée , car il va de soi que nos attaches avec les nôtres restés au pays, sont loin d’être rompues. Au fait, avons-nous une idée précise de la situation dans laquelle se trouve aujourd’hui la majorité de nos compatriotes ,suite au dernier cataclysme , et sans parler des effets dévastateurs des cyclones qui frappent notre pays de façon cyclique ? Est-ce le fruit du hasard si notre pays connaît tous les ‘fléaux’ que l’Egypte avait connus en son temps et tels que décrits dans la Bible : Invasion de sauterelles, peste, ‘kéré’ (famine), inondations, etc… ? Allons ! Ce n’est pas le moment de jouer à l’oiseau de mauvaise augure ! Alors , peut –on encore parler d’’Espérance’ à un moment où la détresse est perceptible,, où le stress nous guette à chaque instant ? Outre ces problèmes auxquels nous sommes confrontés en permanence et en tant que croyants – chrétiens de surcroît-, n’avons-nous pas l’obligation de nous comporter en véritables ‘témoins’ du Christ le Rédempteur et qui nous ordonne de faire un ‘geste’ envers ces ‘petits’ dans le besoin ? (Mat.25/46). Voilà autant de questions auxquelles chacun d’entre nous devrait répondre. A cet égard, comment ne pas reconnaître notre chance d’avoir ,depuis des décennies, notre Journal ‘Foi et Lumière ‘ qui entretient notre Foi , tout en apportant la Lumière et qui renforce notre solidarité, en n’hésitant pas à nous ‘booster’ si cela s’avère nécessaire ? « Tout sera mieux demain, voilà notre espérance « , disait Victor Hugo, et nous croyons indubitablement qu’il n’est pas le premier, ni le dernier à le penser. Alors, mes frères et sœurs : « Veillons, demeurons fermes dans la Foi , soyons courageux, soyons forts, gardons l’Espérance et agissons en tout avec Amour ». (I Cor.16/13-14) Que Dieu Tout Puissant nous bénisse tous ! Ottignies , le 30 Mars 2015 DadaBary (Cyril Rabarihoela) « Ny vavan’ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny. » (Salamo 37:30) www.mkmb.be 5 Taona faha - 18 Laharana : 04 Foi et Lumière Finoa na sy fahazava na Martsa - Aprily 2015 HUMER D’YVETTE. « PÈRE » COURAGE Si vous n’allez au cinéma que tous les cinq ans, c’est le moment de vous y rendre ! En espérant que ce documentaire exceptionnel passe toujours dans les salles en ce beau mois de juin : « L’homme qui répare les femmes », de Thierry Michel et Colette Braeckman nous fait pénétrer dans le monde et la vie du Docteur Mukwege, gynécologue dans l’Est du Congo, à l’hôpital de Panzi. Film remarquable, décrivant la beauté des paysages de collines, la rivière Ruzizi, les routes couleur brique… Dans ce pays de rêve, aux richesses minérales incroyables et convoitées par beaucoup, ce qui fait d’ailleurs son malheur, circulent des troupes diverses, qui massacrent, violent, terrorisent les populations locales. Ces exactions durent depuis des années, dénoncées par les organisations de défense des droits humains et par d’autres, mais l’appât du gain est plus fort que l’humanité… Voilà pour la politique et la diplomatie. compris que, sans droit, son travail ressemblera au tonneau des Danaïdes… Néanmoins, dans ce contexte difficile et au péril de sa vie, un homme se bat pour restaurer les corps martyrisés de toutes ces femmes, fillettes et même bébés violés par des hommes sans foi ni loi. Le Dr Mukwege opère sans relâche, parfois deux fois la même femme, après un deuxième viol, car ces viols ont atteint une violence inouïe et sont utilisés comme armes de guerre pour porter atteinte à l’avenir même de toute une population. Ce qui est remarquable, chez ce médecin, c’est non seulement son dévouement à réparer les femmes physiquement, mais aussi à les remettre debout moralement, spirituellement, à restaurer leur dignité de femmes, à les remettre en route en les aidant à former un projet de vie. Mais ce n’est pas tout, on le voit prenant la parole dans son Eglise, haranguant et interpellant les hommes dans les villages, en leur rappelant leurs responsabilités d’hommes à protéger les femmes et les fillettes. Ne se satisfaisant pas de ce combat, le Dr Mukwege saisit toutes les occasions, lors de ses voyages à l’étranger, lors des remises de distinctions diverses pour son action exceptionnelle, pour mettre les autorités de son pays et du monde devant leurs manquements en matière de protection de cette population. Un combat de titan, courageux, mené au péril de sa propre vie. Car on ne s’attaque pas impunément aux grands, en leur disant la vérité, sans risque. Cet homme remarquable mène la lutte sur tous les fronts : médical, justice (lutte contre l’impunité des violeurs), droit humains, car il a Des exemples pour nous qui hésitons parfois à apposer notre signature au bas d’une pétition, par peur, par indifférence. Des exemples d’engagements fondés sur une foi solide. De tels hommes et femmes sont placés sur notre chemin pour nous faire sortir de notre confort, pour nous inviter à la solidarité, pour nous réveiller de nos paresses, pour faire taire tous nos faux prétextes, nos petitesses, notre médiocrité. Et nous là-dedans ? Ne croyez pas que mon « humeur » soit devenue une chronique cinématographique. Nous sommes sortis bouleversés de cette séance, encore plus renforcés dans la conviction de l’urgence et du bien-fondé d’un engagement profond pour la défense des droits humains. C’est la base d’une société plus juste. Nous avons été secoués par l’exemple de la foi profonde et du courage sans limite de ce médecin dans son combat pour les femmes de sa région et contre l’inertie des autorités de son pays. Mais pas seulement, les femmes elles-mêmes sont remarquables, dans leur volonté de redémarrer, de se battre, de soutenir l’œuvre de leur papa Mukwege. Oui, il est possible de vivre et d’agir autrement. Oui, le monde peut changer, mais pas sans notre action, pas sans nos luttes, pas sans nos paroles. Quittons tous nos conforts, intellectuels et autres, levons-nous, car nous ne pouvons pas laisser la victoire au mal : nous sommes responsables du plus petit de nos frères, de la plus petite de nos sœurs, en ce bas monde. PS : Solidarité Protestante s’inscrit dans le même combat, avec son soutien au projet de la Communauté Baptiste au Centre de l’Afrique, pour la restauration des femmes violées au Kivu. (Compte : BE37 0680 6690 1028 de Solidarité Prot. Mention : projet CBCA) Yvette Vanescote. VAOVAO FJKM HETSIKA HO FAMPIRAISANA NY MPIANAKAVIN’NY FINOANA FJKM Andiany fahatelo amin’ny Koltorallye indray no nokarakarain’ny Foibe FJKM teto Antananarivo ny 25 Aprily 2015 mba ho fialamboly kanefa koa ho fitaizana ny vahoaka Kristianina. Tsy nifankaiza loatra tamin’ny isan’ny mpandray anjara tamin’ny Koltorallye andiany faharoa anefa ny isa tamin’ity andiany fahatelo ity satria tarika 12 monja izy ireo, izay nisolotena Fiangonana fito teto an-drenivohitra, izany hoe nanana tarika mpifaninana mihoatra ny iray ny Fiangonana sasany tamin’ireo. Ny tarika avy ao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra no nibata ny amboara roa voalohany ary tarika iray avy ao amin’ny FJKM Ambohitantely kosa no nahazo ny amboara fahatelo. Sady fifaninanana mitondra fiarakodia no fifaninanana Soratra Masina ny Koltorallye. Miray fiarakodia ny tarika iray, izay misy olona roa farafahakeliny, ka eny am-panamoriana fiara no miaramikaondoha ny amin’ireo valim-panontaniana samihafa ny mpiray tarika. Tsapaina avokoa ny fahaizany ny tenin’ny Soratra Masina, ny fahalalàny ny FJKM sy ny tantaran’ny Fiangonana ary ny fifehezany ny fahalalàna ankapobeny. Niainga teo anoloan’ny Kianjan’i Mahamasina ireo mpifaninana tamin’ity Kolorallye andiany fahatelo ity, nitety Fitandremana maromaro teto Antananarivo sy ny manodidina, ka tokony ho nahavita halaviran-dalana teo amin’ny 70km teo ho eo www.mkmb.be 6 Taona faha - 18 Foi et Lumière Laharana : 04 Finoa na sy fahazava na mialohan’ny nitodiany teny amin’ny Kolejy Teôlôjika Ivato. Azo lazaina fa tsy araka ny tanjona nokinendrin’ny FJKM anefa ny zavanisy satria olona vitsy dia vitsy no nitsena ireo mpifaninana teny am-pahatongavana. Hita taratra amin’izany fa mbola mila ezaka be dia be ny fanentanana atao isam-piangonana ary mila mitombo amin’ny faharesen-dahatra ny mpianakavin’ny finoana FJKM mba hazoto amin’ny hetsika iombonana toy izao. Vololoniaina Rasoavelonirina. Indro ny Hafatra avy amin’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM izay nivory teto Antananarivo ny 15 hatramin’ny 22 Aprily lasa teo HAFATRA MF 06/ SL XVII (15- 22 Aprily 2005 – CFD Ampandrana) “Fa ny fanantenana no namonjena ny mino” Rom. 8: 24a Ry Havana, Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. Amen! Ny Mpiandraikitra Foibe FJKM izay manatanteraka ny fivoriany, arapotoana teto amin’ny CFD Ampandrana tamin’ny Alarobia 15 Aprily ka hatramin’ny Alarobia 22 Aprily 2015, dia manoratra izao Hafatra izao ho an’ny Tomponandraikitra sy ny Kristiana FJKM manerana ny sahan’ny FJKM: Zava-dehibe nisongadina, tamin’izao fivoriana izao ny nahazoana nanendry ireo Mpiasa vaovao hirotsaka ho ao an-tanimbolin’ny Tompo dia ireo Mpitandrina sy Mpampianatra hivoaka avy amin’ny Toeram-panomanana FJKM. Antenaina hitondra aina vaovao ho an’ny Fitoriana ny Filazantsara, hatrany am-paran’ny tany tanterahin’ny Fiangonana izany. Isaorana anie Andriamanitra Tompon’ny vokatra fa Izy no maniraka Mpiasa hanangona ny vokatra. Antenaina ny hahaizan’ny Synodamparitany sy ny Fitandremana rehetra mandray izany “zava-tsoa” izany amin’ny fifaliana. Iaraha-mahalala fa anatin’ny fifidianana fanavaozana ireo Tomponandraikitra any amin’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany, ny Sampana sy ny Sampan’Asa samihafa eto amin’ny FJKM isika izao koa manafatra ny Tomponandraikitra rehetra mba hanao izany amin’ny fanajana ny “fahamasinan’ny Fiangonana sy Izay Iombonana”, hampiasa ny Fitsipika am-pandaminana momba izany ho fanangonana fa tsy fanilihana ary tsy hanao ho ambin-draharaha ny fiainam-bavaka sy ny Tenin’Andriamanitra izay tena maha-Fiangonana antsika. Ianareo izay voafidy ho amin’ireny andraikitra masina ireny kosa dia ampaherezina ho Avenir où es-tu ? Comme j’aurais aimé être plus optimiste pour ce dernier article de l’année académique ! Aborder ce deuxième trimestre avec plus de confiance, plus d’entrain, plus d’espoir pour l’avenir du pays ! Chaque fois, je me dis qu’il doit y avoir des solutions pour nous sortir de cette sinistrose contagieuse ! Mais les esprits chagrins me signifient que non à moins que…. A moins que quoi ? A moins Martsa - Aprily 2015 mpanompo mahatoky eo anatrehan’ny Tompo sy ny Fiangonany: “Fa voasoratra hoe: “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana” Apok. 2: 10 Niarahantsika niaina ny voina nahazo ny firenentsika, nateraky ny rivo-doza sy ny ranobe, nitranga saiky maneraka ny Nosy ka nisian’ireo traboina marobe, indrindra teto Antananarivo sy ny manodidina. Nisy koa ireo tratry ny Kere tany Atsimo. Nijoro ho vavolombelon’ny Tompo manoloana izany isika ka manolo-tanana nanampy ireo havantsika traboina tamin’ny alalan’ny fanentanana sy fandaminan’ny SAF/ FJKM. Ankasitrahana izay rehetra nandray anjara tamin’izany ary mbola mampitondra ny teny fampaherezana ho an’ireo havna traboina rehetra ny Mpiandraikitra Foibe ary manolotra ho azy ireo ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Matokia Azy mandrakariva hianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika” Salamo 62: 8 Momba ny Dinika ho amin’ny Fampihavanana tarihin’ny FFKM, dia anterinay ny Fanambarana fa Tena asan’ny Fiangonana izany, ary Iraka ampanaovin’Andriamanitra antsika ny Mampihavana ny olona amin’Andriamanitra sy ny olona samy olona, araka ny Soratra Masina hoe: “Koa dia iraka solon’I Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’I Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo”. I Kor.5: 20. Entanina ny Kristiana FJKM rehetra hivavaka ho an’ny FFKM sy ny Filohan’ny FJKM izay mitarika izany mba ho tanteraka eo ambany tana- maherin’Andriamanitra ny asa. Toy izany koa dia tsy mbola mitsahatra mivavaka ho an’ny Filoha Mpanampy Laika eto amin’ny FJKM isika mba hananany fahafahana tanteraka sy hiverenan’ny zony amin’ny maha endrik’Andriamanitra ny olona. Miombom-po hanao izany isika, araka ny Soratra hoe: “Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy hianareo, ary izay ampahoriana, satria mbola eo amin’ny tena koa hianareo” (Hebreo 13: 3). Tamin’ny fo feno fisaorana an’Andriamanitra no nandraisanay Mpiandraikitra Foibe ny taratasy milaza fa navelan’ny fanjakana hisokatra indray ny Radio Fahazavana. Valim-bavaka lehibe nomen’Andriamanitra ny Fiangonana izany koa ho Azy irery ny Voninahitra. “Isaorana anie Jehovah … Izy irery ihany no manao fahagagana” Sal. 72: 18. Ny lafiny fampitaovana no hanentanana ny FJKM rehetra mba handray anjara amin’izay hananana izany fa ny teo aloha dia voaroba tsy hita intsony. Manao veloma ny Mpianakavin’ny Finoana rehetra amin’ny fanorohana masina sady mampahery hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo sady mirary antsika hahatratra ny fanamarihana ny Andro Niakaran’ny Tompo sy ny Pentekosta 2015. Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe. que les jeunes ne prennent la relève ! Celles et ceux qui croient encore à un avenir possible chez eux. Celles et ceux qui exercent leur art avec passion. Celles et ceux qui combattent avec pour seule arme leur art : que ce soit le cinéma, le théâtre, le chant, la danse, l’écriture, la peinture pour ne citer que ces disciplines. Celles et ceux qui déclarent comme l’écrivain – académicien Dany LAFERRIERE, après Ny Filoha RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina l’effroyable séisme de janvier 2010 à Port – au-Prince : « Quand il ne reste plus rien, quand tout est détruit, il reste la culture (…) L’art n’a jamais cessé d’être une valeur suprême, un espace de reconquête de la vie, des forces, de l’espoir, de la lumière et de la dignité. » Voilà tout est dit ! Madagascar n’en finit pas www.mkmb.be 7 Taona faha - 18 Laharana : 04 de vivre avec ses vieux démons. Construire, déconstruire puis reconstruire. Que celles et ceux qui pensaient que le cinéma malagasy était moribond soient rassurés : la 10ème édition des Rencontres du Film Court (RFC) s’est déroulée comme prévu à Antananarivo, du 17/04 au 25/04 dernier. La présence de son « Parrain à vie », le cinéaste Raymond RAJAONARIVELO, membre du jury dans la catégorie Documentaire ainsi que d’autres invités internationaux prestigieux, ne pouvaient que réjouir, Laza, son directeur et membre fondateur de ces Rencontres du Film Court. L’émergence d’une jeune génération de cinéastes malgaches prouve lors de cette 10ème édition toute la créativité et la vitalité de nos futurs grands cinéastes ! Luk RAZANAJAONA, récompensé l’année dernière avec un Zébu d’OR Fiction pour son « Madama Esther » fait déjà partie de cette jeune et talentueuse génération de cinéaste avec pour principal défi : conquérir un public de plus en plus nombreux en privilégiant un public avant tout national. « A Madagascar, nos films sont diffusés qu’une seule fois lors des RFC. La distribution reste un problème majeur en Afrique car rares sont les télévisions qui achètent les films. A Madagascar, vous devez acheter une plage horaire pour diffuser vos films, rien n’est gratuit ! » confiait Luk récemment sur le site de la revue « Africultures ». Antananarivo s’est transformée, pendant 9 jours en « Capitale du Cinéma de l’Océan Indien » où les festivaliers, pouvaient accéder aux séances gratuitement. Idem pour les ateliers, conférences et autres manifestations. La remise des prix des RFC 2015 a eu lieu à l’Institut français de Madagascar (IFM) à Analakely. C’est à une jeune Foi et Lumière Finoa na sy fahazava na réalisatrice, Ketaka RAZAFIMISA, décédée tragiquement lors de la compétition, que le jury a attribué le Zébu d’Or Fiction pour sa deuxième réalisation « Her Little Piece of Heaven » (« Son petit bout de paradis ») ainsi que le Prix de la meilleure bande son et le Prix de la meilleure actrice avec Stéphanie RAZAKATRIMO. Des récompenses largement méritées pour un grand talent prometteur trop tôt disparu. Le Zébu d’Or pour la catégorie documentaire a été attribué à Anjara ANDRIAMAHALY pour son court-métrage « Filet de lettres » consacré à l’artiste plasticien TEMANDROTA, exposé régulièrement à Is’Art Galerie (récemment installée dans un lieu plus vaste – La Teinturerie – à Ampasanimalo). Artiste autodidacte, Temandrota est attaché à sa terre d’origine du Sud et utilise essentiellement, dans la pratique de son art, des matériaux de récupération. Talent à découvrir ! Une nouveauté cette année, qui marque l’engouement toujours grandissant pour la musique, avec la création du Zébu d’Or du meilleur clip-vidéo, attribué à Rado ANDRIAMANISA pour sa vidéo du groupe Angaroa et sa chanson « Dizina ». Mais c’est dans la catégorie Animation que la compétition fut la plus ouverte. Le jury a finalement décerné le Zébu d’Or à Sitraka RANDRIAMAHALY pour son film « Rough Life », face à d’autres représentants panafricains du Burkina Faso, de Tunisie, d’Algérie, du Ghana et de son compatriote Anjara RARIVONANDRASANA. Toute proportion gardée, le secteur de l’animation, reconnu comme étant une spécificité malgache, s’est considérablement développé. Mais encore une fois l’absence cruelle d’infrastructures(il n’existe quasiment plus de salle de cinéma en activité à Madagascar) de budgets, de Martsa - Aprily 2015 moyens logistiques, ne fait que souligner le manque de volonté et de courage politique pour investir dans le culturel. Alors comment convaincre les dirigeants d’un pays que la Culture est nécessaire au développement d’un pays ? Qu’elle est un des acteurs et facteurs économiques essentiels ? Qu’elle est le reflet, non seulement, de notre identité mais aussi de notre propre existence. Qu’elle est le fondement même de notre cohésion sociale ! Indissociables, le Cinéma et la Culture font partie du vocabulaire du 21ème siècle. Les politiques, dont les intentions ne suffisent plus, vont devoir l’intégrer dans leurs discours et leurs actes afin de dissuader notre jeunesse de quitter le pays. L’espoir d’un avenir possible et meilleur, telle est leur responsabilité première. Et il n’est jamais trop tard pour bien faire ! Edith BARIJAONA «Attends le Seigneur, agis avec courage; * que ton cœur soit ferme, et espère au Seigneur.» (Psaumes 27:14 ). Matokia fa momba antsika mandrakariva Andriamanitra tompon’ny Asa. “Finoana sy Fahazavana” Gazetin’ny MKMB. . “Velona ho an’ny hafa” Fandraharahana (SECRETARIAT): Liliane Ralaivoavy . Fandrafetana sy fanatontosana (Conception graphique-édition) : Yves Ralainarivo. Mpiaramiasa (collaborateurs) : Lalaina Ravelomanantsoa - Holy Ralainarivo -Edith Barijaona – R abarihoela Cyril - Yvette Vanescote - Fredy Jaofera . Tomponandraikitra mivantana (Editeur responsable et diffusion) : Hery Rasoamanana. 0032 495 50 96 59 * Ny taratasy rehetra dia avantano (correspondance) : [email protected] Tohano ny gazetinao” hampijoro ny hafa”. « Aidez-nous à aider les autres. » Souhaitez-vous soutenir notre journal ou la communauté protestante Malgache au Benelux ? : Compte IBAN : BE 39 0682 2650 3919 BIC : GKCC BEBB. communication : « Pour le journal Foi et Lumière » ou « pour la MKMB ». www.mkmb.be 8
Documents pareils
Le Journal - Ino Vaovao
Ilaina sy andrasana ary andrandraina ao anatin’izany ny fandaminana
fara-tampon’ireo mpitondra sy mpanapaka isan-drenivohitra fotsiny,
ohatra. Toa tsy hita be ihany satria na dia ireo tetik’asa nah...