ny nenina ao afara handatsa ka samia misain-tsaina

Transcription

ny nenina ao afara handatsa ka samia misain-tsaina
Analamanga : ny nenina ao afara handatsa ka samia misain-tsaina tsara e !
Mercredi, 18 Décembre 2013 09:01 - Mis à jour Mercredi, 18 Décembre 2013 15:55
Mahaiza mandanja tsara daholo amin’izy roalahy ireo
Ny faritr’Analamanga no azo ambara ho nahazoan’ny kandida Robinson Jean Louis
tombom-bato betsaka indrindra tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filohampirenena
izay natao tamin’ny faha-25 oktobra teo.
Saika ireo mpanara-dia an-dRavalomanana sy ireo diso fanantenana tamin’ny fitondrana
tetezamita no nahatonga azy ho nahazo izany ampaham-bato betsaka izany.
Taorian’iny fihodinana voalohany iny anefa dia maro ny tranga niseho avy amin’ity kandida
mametraka ho laharam-pahamehana ny fampodiana an-dRavalomanana ity. Nanomboka
nieritreritra ny mpifidy hoe « inona marina moa no tena antenaina amin’ity kandida ity raha lany
1/5
Analamanga : ny nenina ao afara handatsa ka samia misain-tsaina tsara e !
Mercredi, 18 Décembre 2013 09:01 - Mis à jour Mercredi, 18 Décembre 2013 15:55
eo ? »
.
Nisy àry aloha no niova hevitra avy hatrany raha vao nahita ny vaovao momba azy ilay mamo
tao amin’ny valan-dresaka nanasan’ny mpianatry ny Ivon-toerana ambony momba ny fandalinana pôlitika azy (Iep).
Tsy fahafehezana tena no nandikan’ny olona sasany azy teto Antananarivo. « Tsy azo leferina
ny fihetsika toa ireny fa mamoa-fady
»
, hoy ity raiamandreny iray; loholona ao amin’ny Fiangonana Fjkm iray eto andrenivohitra.
«
Tsy nampoiziko ho ny Dr Jean Louis Robinson no hanana fitondran-tena toa ireny
»
, hoy izy.
Fa ny fihetsika nasehon’ity saribakolin-dRavalomanana nandritra ny fifanatrehana voalohany
teo aminy sy ny kandida Rajaonarimampianina koa dia nampihemotra olona maro teto
Antananarivo. Renim-pianakaviana iray ao amin’ny « Fianakaviamben’ny Andriana » no vaky
vava ka nilaza fa
«
nisy fihaonana taminay vitsivitsy ato amin’ny Fianakaviamben’ny Andriana indray sabotsy ka
tonga tany amin’iny fifanatrehan’ny kandida roalahy iny ny resaka, ary dia samy nitovy ny
fahatsapanay fa tsy olona toa azy no mamaly ny tsanganana takiana amin’ny olona tokony ho
filohampirenena
»
.
« Marina », hoy ity renim-pianakaviana ity, « fa tsy nisy ny baiko na toro-marika avy amin’ny
fianakaviambe hoe
« mifidy ny kandida Robinson
»
,
fa saika voasarika tany aminy ny maro taminay, indrindra fa ny tanoranora, saingy taorian’iny
fifanatrehan’izy roalahy iny dia toa mandrora mitsilany raha hikimpy ka hanamafy ny
fifidianana azy
»
.
2/5
Analamanga : ny nenina ao afara handatsa ka samia misain-tsaina tsara e !
Mercredi, 18 Décembre 2013 09:01 - Mis à jour Mercredi, 18 Décembre 2013 15:55
« Tsorinay aminareo mpanao gazety », hoy ity renim-pianakaviana ity, « fa fanalana baraka ny
vaton’Imerina izay maro no nifidy azy ireny fihetsika bontolo toa sanatria jiolahim-boto nataony
teo anoloan’ny mpifaninana taminy ireny, nefa i Hery Rajaonarimampianina dia niezaka ho tony
hatramin’ny farany
».
Ity renim-pianakaviana ity koa no nanipika fa
«
ny olana kely taminay sy i Hery Rajaonarimampianina ange ka izy isan’ny niara-nitantana tao
anatin’ny fitondrana Rajoelina, saingy maro amin’ny fandaharan’asa sy ny
vinavinam-piaraha-monina natolony, indrindra fa hita fototra kokoa izany tamin’izao
fampielezan-kevitra fihodinana faharoa izao, no azo ianteherana e !
».
Mpandraharaha ara-toekarena sady itantana orin’asa momba ny fanafarana sy fanondranana
entana eto andrenivohitra indray no nilaza hoe « ny tenako aloha dia tsy nifidy tamin’ny
fihodinana voalohany satria tsy tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana, fa ny vady aman-janako
dia nampirisihako hifidy an’i Jean Louis Robinson, noho izy noheveriko fa hampiseho toetra
mendrika izany filohampirenena izany, saingy ny tena nampaharikoriko ahy dia ny nandre azy
fa mpikambana ao amin’ny “Franc Maçon
».
« Tsoriko aminareo mpanao gazety », hoy ity mpandraharaha ity, « fa maro amin’ny
mpandraharaha Malagasy no nianjadiam-pahavoazana noho ny nafitsoky ny mpandraharaha
namana, Malagasy, izay miara-miombona antoka amin’ny vahiny, saingy fantatra fa
mpikambana amin’ireny
«
Franc Maçon
»
ireny
»
.
« Samy mahatsapa an’izany izahay mpandraharaha Malagasy tsy mba manaiky hiditra
amin’ireny fikambanana hafahafa ireny », hoy ity tafaresaka taminay, « ary isan’ny niteraka
fahavoazana teo amin’ ny tontolon’ny fandraharahana ara-toekarena teto Madagasikara satria
namotika seha-pandraharahana maro an’ny teratany Malagasy teto ny firaisan-kinan’ny samy
«
Franc Maçon
»
izay tsy mikendry afa-tsy ny tombontsoan-dry zareo mpiara-dia ao amin’io fikambanana io. Tsy
vitsy aminay mpandraharaha Malagasy, izay sady kristianina hatry ny ela, no samy niteny fa
hampita toro marika sy hanentana ny mpiasa aminay avy sy ny vady aman-janany ary
hanentana koa ny manodidina mba hifady izany olon’ny
3/5
Analamanga : ny nenina ao afara handatsa ka samia misain-tsaina tsara e !
Mercredi, 18 Décembre 2013 09:01 - Mis à jour Mercredi, 18 Décembre 2013 15:55
«
Franc Maçon
»
izany fa loza ho an’ny firenena izany, ary tena fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra
».
Tsy ireo voatanisa ireo ihany no nahitana taratra an’izay fahadisoam-panantenana tamin’i Jean
Louis Robinson izay fa hatramin’ny tanora mpianatra eny amin’ny oniversite, raim-pianakaviana
mpiasa tena. Ny iray tamin’ireto mpiasa tena aza moa dia nilaza mihitsy hoe « isaorana ny
mpanao gazetin’ny Tvm nametraka an’iny fanontaniana momba ny
«
Franc Maçon
»
iny satria soa ihany fa fantatra mialoha ny momba an’i Robinson sy ny fikambanana misy azy
dia mba samy mitandrina fa raha sanatria ka tonga teo amin’ny fitondrana izy vao fantatra ireny
dia tonga amin’ilay fitenenana hoe
«
dokotera aorian’ny fahafatesana
»
ka ho nenina sisa
»
.
« Maharikoriko ahy na ny mandre fotsiny ny anarany hoe « Robinson Franc Maçon » fotsiny
aza
», hoy
ity renim-pianakaviana mpivarotra enta-madinika iray etsy Ampasampito
.
«
Tena resy lahatra 200% tamin’ny Dr Robinson aho”
, hoy izy,
«
teo aloha fa hatramin’ny nahenoako fa
«
mpikambana amin’ny pôlitika sosialista frantsay sy Franc Maçon izy dia tena maharikorioko
ahy, ary tofoka tanteraka aminy aho ka tsy hanome ny safidiko ho azy mihitsy indray
»
.
« Tamin’ny fahazazanay mantsy dia mpakafo sy mpaka ra ary mpangala-jaza no
nahafantaranay izany Franc Maçon izany », hoy izy.
4/5
Analamanga : ny nenina ao afara handatsa ka samia misain-tsaina tsara e !
Mercredi, 18 Décembre 2013 09:01 - Mis à jour Mercredi, 18 Décembre 2013 15:55
Talata, 17 Desambra 2013
Nangonin'ny mpanao gazety maro - www.madagate.com
5/5