Hafatra fototra Ekli..

Transcription

Hafatra fototra Ekli..
KOMITY MPIKARAKARA NY FANDALOVAN’NY EKLIPSA 1er SEPTAMBRA 2016
MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
HAFATRA FOTOTRA HO AN’NY BESINIMARO
TRANGA VOAJANAHARY mahaliana ny Eklipsa (éclipse solaire annulaire), tsy misy tokony
hampatahotra , izay tsy miverina raha tsy afaka 50 taona indray, ary ny 1 septambra 2016 no ahitana
azy manerana an’i Madagasikara. Maharitra ora telo ny fandalovan’ny Eklipsa eto amintsika.
Manomboka amin’ny 11ora sy sasany izany ka manomboka avy any andrefana no miantsinanana ny
fahitana azy.
LOHAHEVITRA nosafidiana amin’izao fandalovan’ny Eklipsa izao ny hoe: “ Mibanjina ny Eklipsa
amim-pahatoniana” amin’ny alalan’ny solomaso voatokana.
TANDREMO:
-
Manimba ny maso ny fijerena ny Eklipsa tsy misy solomaso voatokana, noho ireo taratra
mandoro avy amin’ny masoandro (Ultra-violets, Infra-rouges).doro. Tsy afaka misolo ireo sela
mpaka sary ao anaty maso, koa ny ratra/doro avy amin’ny taratry ny masoandro mahazo ireo
sela ireo, dia miteraka fahavoazana mandra-maty amin’ny fahitana, toy ny tsy fahitana
amin’ny ampahany na fahajambana tanteraka.
-
Tsy afaka miaro ny masontsika amin’ireo taratra mandoro ny maso (ultra-violets, infrarouges) avy amin’ny masoandro, ny fitaratra matroka (vitre fumée), na ny solomaso mainty
(lunettes contre-soleil), na ny “film radio”. Tsy azo antoka intsony koa ireo solomaso
voatokana ho an’ny Eklipsa nampisaina teo aloha.
NY TOKONY ATAO:
 Mampiasa solomaso vaovao voatokana ho an’ny Eklipsa 2016, ho fiarovana ny maso amin’ny
taratra manimba avy amin’ny masoandro,
 Azontsika jifaina amin’ny vidiny mirary 1 500 ariary, eny amin’ny Farmasia, Dépôt de
médicaments, boutique d’opticien lunettier nahazo alalana, sy ny grande surfaces (Leader
Price, Jumbo score,…), ary ny boutique eny amin’ny fivarotana solika (GALANA, JOVENNA,
SHELL, TOTAL) ny solomaso voatokana ho an’ny Eklipsa. Tandremo ny hosoka.
 Solomaso 1 afaka ifandimbiasan’ny fianakaviana iray, ary raha sanatria tena tsy manana
solomaso voatokana, dia aleo TSY MIJERY ny eklipsa,
 Singanina manokana ny ankizy sy ny zaza, izay anjarantsika ray aman-dreny ny miaro ny
masony mandritra ny fandalovan’ny Eklipsa eto Madagasikara, ny 1 septambra 2016.
Tandrovy mandrakariva ny fahasalaman’ny masonao sy ny an’ny zanakao.
Ny Komity mpikarakara
Laharam-pifandraisana:
Dr RANIVOHARILANTO Eva, 034 07 777 89 sy Dr RAMANANIVOSOA Sabine, 034 18 387 14