Teolojia Fototra ao amin`ny Bokin`i Ezra
Transcription
Teolojia Fototra ao amin`ny Bokin`i Ezra
Niray hevitra ny olona hanangana indray ny Tempoly rehefa niverina avy any am-pahababoana. Ny bokin’i Ezra sy Nehemia ary Estera dia samy milaza ny: Ny fiverenan’ny Jiosy avy any Babilona Ny fivavahana Jodaisma taorian’ny Fahababoana Ireo zava-manodidina ny fananganana ny Tempoly Resy lahatra hanorina indray ny Tempoly ny olona. (Ezr.3,1-11) saingy maro ny vato misakana: OLANA Ny sakana nataon’ny tompontany.(Samaritana) (Ezr.4,4-6) Misy ireo mpitady tombontsoa manokana sady manana kajy hafa handravana ny tetikasa. (4,9-16) Nanjaka ny fanolorana saina hafahafa ny Mpitondra (4,16) izay niteraka ny fihemoran’ny asa. (4,24) Ny fandrosoan’ny Asa Antoky ny fandrosoan’ny asa ny fisian’ny Mpaminany (Hagay sy Zakaria) manao tsara ny asany.(5,1) Mijery izay mikely aina amin’ny asany Jehovah Andriamanitra. (5,5) Mandroso ny asa rehefa resy lahatra ny amin’ny asan’Atra ny mpitondra Fanjakana. ( Oh: 6,3.11 ss…) Rehefa samy manao ny andraikitra tandrify azy ny Fanjakana sy ny fiangonana dia nitsangana ny tempoly Ny TEMPOLY izay mbola mitoetra ho mariky ny fisian’Atra sy ny fahavelomany ,ny heriny sy ny fahefany eo anivon’ny vahoakany. NY VOKATRY NY FIJOROAN’NY TEMPOLY. Fifalian’ny Fiangonana (6,16) Fandrosoan’ny Fanoloran-tena (6,17) Ny fivoaran’ny rafitra sy ny Fandaminam-piangonana (6,18ss…) Ny fandrosoan’ ny Tenin’Atra (7,10.21-23) Nahatonga faharesen-dahatry ny Mpanjaka (Mpitondra fanjakana) ny amin’ny Finoana an’Andriamanitra. (7,26-28). HENTITRA NY AMIN’NY LALANA MOMBA NY FANAMBADIANA I EZRA Tsy nanaikyny Hifanambadian’ny Jiosy amin’ny Jentilisa i Ezranoho ireto antony ireto: Melohin’ny Lalana Jiosy ny manam-bady hafa firenena ( Eks34,11-16) Anisan’ny fepetra napetrak’Andriamanitra tamin’i Abrahama ny tsy hanambadiana an’ireo Jentilisa (Gen.24-2/ 27;46-28,9) Ny fanambadiana hafa firenena (Jentilisa)= Fanaovana fanekena aminy. • Mba tsy hanaraka ny fombany (Gen.20,18) indrindra eo amin’ny ara-pivavahana. Manohitra ny teny fampanantenana ny fanambadiana Hafa firenena ary tena fahavetavetana eo imason’i Jehovah (Ezra.9,1ss…)= Fandikana ny Lalan’A/tra Ezaka nataon’i Ezra ny nibebaka ho an’ireo vahoaka Jiosy ireo(Ezr.9,3-5) Nohamafisin’i Ezra fa tokony hisaraka izay efa niroso tamin’izany. (Ezr.10,3-5) Nanaiky ny tenin’i Ezra ny olona. (Ezr.10,19) Boky nanovozan-kevitra: Ankoatra ny Diksionera amin’ny Baiboly sy ireo Fitarihan-teny samy hafa dia ireto: 1. Frank MICHAELI, Le Livre de Chroniques, d’Esdras, et de Nehemie, Commentaire de l’Ancien Testament, Ed Delachau et Niestle, Suisse, 1967. 2. D.J.CLINES,The New cintury Bible commentary, Ezra, Nehemiah, Esther,Ed. Marshall Morgan and Scott,USA, 1984.
Documents pareils
Karazam-bibidia arovana - Faritra Atsimo Andrefana
saingy vitsy ihany ny olon-tsotra sy ny mpanapa-kevitra isan’ambaratonga no
mahalala izany eny anivon’ny toerana misy azy avy. Hany ka noho ny tsy
fahalalana na ny tsy firaharahiana dia lasa fomba ...