LPI 2007-2012 - Malagasy version
Transcription
LPI 2007-2012 - Malagasy version
REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana MINISTERAN’NY TOE-KARENA, NY VAROTRA SY NY INDOSTRIA SAMPAN’ASA MISAHANA NY FAMPANDROSOANA NY SEHATRA TSY MIANKINA SY NY VAROTRA TARATASIN’NY POLITIKA ARA-INDOSTRIA (2007 – 2012) Votoatiny Fampidirana Tapany A: Filazalazana ny andraikitra sy ny tanjona Tapany B: Ny hetsika momba ny polítika B1: B2: B3: B4: Tontolon’ny fandraharahana sy fampiroboroboana ny fampiasam-bola Fototry ny sehatra tsy miankina eto amin’ny firenena Fampiatiana an’i Madagasikara amin’ny toe-karen’izao tontolo izao Lalan’ asa omen-danja manokana Tapany D: Ireo fepetra arakasa D1. Ny EDBM: Fitaovana iray entina manatanteraka ny politika ara-toekarena sy araindostria ary rantsamangaika entina mampiroborobo ny fampiasam-bola D2. Fepetra fanentanana sy fanohanana ara-drafitra ny fampiroboroboana ny fanondranana D3. Fampahanaran-drefy, fampahanaram-penitra, handrana, sy fanamarinana kalitao D4. Fanavaozan-drafitra/fampiakarana lenta ny indostria D5. Fanapariahana ny indostria sy fanamafisan’orina ny Ivontoeram-paritra momba ny fampandrosoana ara-indostria sy ara-barotra (CERDIC) D6. Fitaovana ara-bola D7. Ny rafim-pirenena momba ny fitondrana hevi-baovao eo amin’ny sehatry ny indostria 2 Famintinana vontoaty BNM CAPE CERDIC CVM EDBM FMI GUIDE IDE JIRAMA LPI MAP MNEQ MPE OCDE ONUDI PDSP-2 PIB PIC PME PMI S&T SISIR TIC USD ZF ZFI Birao Maorisina misahana ny fampanaraham-penitra Komity manohana ny fanentanana indray ny fandraharahana Ivontoeram-paritra momba ny fampandrosoana ny indostria sy ny varotra Lalam-pihariana maneran-tany Filan-kevitra momba ny fampandrosoana ny toe-karen’i Madagasikara Tahirim-bola iraisam-pirenena Birao tokana misahana ny fampiasam-bola sy fampivelarana ny orinasa Fampiasam-bola vahiny mivantana Jiro sy Rano Malagasy Taratasim-politikan’ny indostria Madagasikara Amperin’Asa Fampanarahan-drefy, fampanaraham-penitra, handrana sy fanamarinana kalitao Orinasa madinika sy tena madinika Rafitra fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana ny toe-karena Rafitry ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana ny industria Tetikasa faharoa fampandrosoana ny sehatra tsy miankina Hari-karena faobe Tetikasa “Pôles Intégrés de Croissance” Orinasa madinika sy salantsalany Indostria madinika sy salantsalany Hairaha Ivontoerana any Singapour misahana ny fenitra sy fikarohana ara-indostria Hairaha momba ny informatika sy ny fifandraisana Dolara amerikana Faritra afakaba Faritra indostrialy afakaba 3 Fampidirana 1. Mijanona ho laharam-pahamehana eo amin’ny ezaka ho amin’ny fampandrosoana aratoe-karena sy ara-tsosialin’ny firenena ny fanovana toe-karena hiala amin’ny fihariana mifototra amin’ny famokarana izay ho jifain’ny tena ho any amin’ny fihariana mavitrika mifototra amin’ny indostria sy tafiditra tanteraka amin’ny fihariana maneran-tany. 2. Afaka manao dingana lehibe sy ho tonga toerana izay hifanontofan’ireo fampiasambola eo amin’ny lafiny ara-indostria i Madagasikara noho ny fisian’ireo harena be dia be eo amin’ny lafiny ara-pambolena sy ny harena an-kibon’ny tany, ny fisian’ireo harena voajanahary maro toy ny zava-miaina samihafa, ny fisian’ireo harena ara-kolontsaina nolovaina, ny fisian’ny mponina mazoto miasa izay homban’ny fitarihana ara-politika vonona hampandroso. 3. Ny fanitsiana ara-toe-karena izay natomboka tamin’ny taona 1990 sy ireo fanovana rafitra izay nampiharina teo amin’ny lafiny ara-toe-karena dia nanampy ny Fanjakana hampirantiranty ny fisian’ny harena voajanahary maro isarihana ny famatsiam-bola, avy eto an-toerana sy avy any ivelany. 4. Ny fampiasam-bola ataon’ny tsy miankina teto Madagasikara dia nitana anjara toerana lehibe teo amin’ny fampitomboana ny harikarena teto Madagasikara vao tsy ela akory izay : raha 3,5 isan-jaton’ny harikarena izany tamin’ny taona 1980 dia nahatratra 8,5% iteo anelanelan’ny taona 1997 – 2004 ary heverina hahatratra hatrany amin’ny 12,4 % ny taona 2005 – 2008. Na izany aza anefa, ambany izany taha izany raha ampitahaina amin’ny taha fampiasam-bola ataon’ny tsy miankina any amin’ireo firenana matanjaka any Azia Atsinanana sy Azia Atsimo-atsinanana izay mahatratra hatrany amin’ny 20 %-n’ny harikarena faobe. Tokony ampitomboina araka izay tratra ny fampiasam-bola ataon’ny tsy miankina mba hahazoana manafaingana ny fampandrosoana satria iaraha-mahita fa ambany dia ambany ny vola miditra avy amin’ny hetra eto Madagasikara. 5. Ireo fandinihina samihafa natao ( Investment Climate Assessment, Doing Business, étude de création d’une Agence de Promotion des Investissements, …) dia nampivoitra ireo zava-dehibe momba ny fampivoarana ny tontolon’ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Ireto avy izy ireo : (i) ny tsy fisian’ny fandaharanasa matipaika; (ii) ny tsy fahampian’ny sampandraharahana izay manohana sy manara-maso ny tetikasa ; ary (iii) ny tsy fisian’ny fepetra famporisihana izay iarahan’ny besinimaro manaiky fa tsy tombontsoa atokana ho an’ny mpandraharaha vitsivitsy monja. Ity farany ity moa dia nahatonga resabe tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena izay nanjary nametraka fepetra roa sosoana amin’ny hetsika ataon’ny Fanjakana: tsy ekena ny olon-tokana mandray fanapahan-kevitra ny tsy andoavana hetra na fadin-tseranana, ary tsy ekena ny fametrahana lalàna izay mety mampihena ny vola miditra amin’ny Fanjakana. 6. Napetraka ny Madagasikara Am-perin’Asa (MAP) izay hotanterahina ny taona 2007 – 2012 mba hisian’ny fampandrosoana haingana izay mampandray anjara ny rehetra eo amin’ny toe-karena Malagasy; najoro ihany koa ny Filankevitra ho an’ny Fampandrosoana ny Toekarena Malagasy (EDBM), ho fitaovana ara-politika, sy ara-toe-karena ary ara-indostria, mba hanao fanentanana sy hanamora ny fampiasam-bola ataon’ny tsy miankina, avy eto antoerana sy avy any ivelany. Tsara ihany koa ny manamarika fa ny MAP dia ilàna vola hatrany amin’ny 9 miliara dolara amerikana, izay holaniana amin’ny fandaniana amin’ny fampiasam x bola ka ny ampahany betsaka amin’io (mihoatra ny 80 %) dia ny Fanjakana no miantoka azy. Inoana fa ny mpamatsy vola no hitondra ampahany betsaka amin’izany. 4 7. Namoaka taratasy momba ny toe-bola eto Madagasikara ny Tahirimbola iraisampirenena tamin’ny volana Jolay 2007 ka nanao fanairana fa ambany dia ambany ny tahampamorian-ketra eto amin’ny firenentsika : anisan’ireo firenena osa indrindra maneran-tany i Madagasikara raha ny taham-pamorian-ketra no resahina ary tsy nahitana fiovana firy izany hatramin’ny 2000 teto Madagasikara nefa nahitana fihatsarana kosa tany amin’ny firenena hafa atsimon’ny Sahara. Mazava araka izany fa misedra zava-tsarotra ny kitapom-bolampanjakana ary ho sarotra ny hametraka famporisihana ara-bola sy ara-ketra ho amin’ny fampivelarana indostria. 8. Ankoatra izay dia mametraka fanamby vaovao ho any mpanapa-kevitra ara-politika sy mitaky fanaovazana goavana amin’ny fomba fanohanan’ny Fanjakana ny fampiasam-bola ny fanatontoloana ara-toe-karena homban’ny fanapariaham-pahefana hita eo amin’ireo rafitra mpitantana ny toe-karena eo an-toearna. 9. Eo anatrehan’izany toe-javatra izany, dia hita fa mahasoa raha tanteraka ireto anaraka ireto : Mahazo ny fitokisan’ireo mpandraharaha ara-toe-karena / ara-indostria amin’ny fampisehoan’ny Fanjakana fahavononana sy fandraisana andraikitry amin’ny alalan’ny fanaovana fanavaozana goavana eo amin’ny lafiny ara-politika ; Mandrafitra endrika/fomba fijery tsara an’i Madagasikara amin’ny maha-toerana ahazoana manao fampiasam-bola ara-indostria azy ; Manana fomba fijery vaovao mikasika ny politika izay misy ankehitriny, mba hahazoana : (i) manamafy orina ireo hery sy tanjaka ary manala ireo fahalemena misy na dia tsy hita aza izany; (ii) mamaritra tanjona sy laharam-pamehana vaovao ; ary (iii) mametraka rafitra / fomba fiasa mba hahazoana antoka fa mihatra tsara sady arapotoana ny politika. 10. Ny taratasy mikasika ny politika ara-indostria (LPI) (2007–2012) dia vokatry ny ezaka mifanaraka amin’izay voalaza teo aloha. Ny LPI dia maneho ny andraikitra vaovao izay hosahanin’ny Fanjakana amin’ny maha-mpanamora ny asa eo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy ara-indostria azy. Ny LPI dia mandray ireo laharam-pahamehana lehibe izay nivoitra avy tamin’ny Fihaonana manokana nataon’ireo Minisitra Afrikana misahana ny Indostria (CAMI) izay nivory tany Midrand, Afrika Atsimo, ny 24 – 27 septambra 20071 lasa teo. Nateraky ny fanohanana ara-teknika mitohy nataon’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fampivoarana ny Indostria (ONUDI) ny LPI ary azo lazaina ihany koa ho vokatry ny finiavana izay niraisan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izay samy nanana vina mitovy eo amin’ny ivo ezaka / lavitra ezaka, nifototra tamin’ny fahatsapan’ny andaniny sy ny ankilany ny fahafaha-manaony sy ny sakana izay manodidina azy. Ity taratasy ity dia ahitana ireto fizarana manaraka ireto : Fizarana A : Filazalazana mikasika ny andraikitra sy tanjona; Fizarana B : Ny hetsika ara-politika; Fizarana D : Ireo fepetra araka asa. 1 Ny CAMI dia nametraka laharam-pahamehana lehibe 5 : (i) Fanomezana asa ny tanora; (ii) Fanamafisana orina ny fahafaha-manao ara-barotra; (iii) Fampiroboroboana ny fampiasam-bola; (iv) Fahazoana antoka ny fahampian’ny angovo; ary (v) Rafitra fitondrana hevi-baovao eo amin’ny indostria 5 Fizarana A : Filazalazana mikasika ny andraikitra sy ny tanjona 11. Ny andraikitra tanterahin’ny LPI (2007-2012) dia ny hanampy eo amin’ny fanatanterahana ny MAP, indrindra ny Teny Nifanomezana faha-6 ao aminy (Fananana toekarena mitombohaingana). Raha lazaina amin’ny fomba azo tsapain-tanana kokoa, ny LPI dia mikendry ireto manaraka ireto: Hametraka ireo fepetra fototra mba hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy hanamoràna ny firosoana ho amin’ny fahombiazana ; Hamporisika ny famoronana sy fampiasana ireo hevitra tsara indrindra, ny hairaha ary ny fomba fiasa maharaka toetr’andro; izany no atao dia ny mba hahatonga an’i Madagasikara ho afaka hiatrika ny fanamby izay apetraky ny fanatontoloana, haneho fahafaha-mamokatra ambony dia ambony any amin’ireo toeram-piasana, ary hitrandraka ny tombondahiny eo am-pelatànana ahafaha-mifaninana. 12. Mba hahatongavana amin’izany tanjona izany, ny Fanjakana dia mametraka ireto soridalana ara-politika lehibe manaraka ireto : MIKASIKA NY TONTOLON’NY FANDRAHARAHANA SY NY FAMPIROBOROBOANA NY NY FAMPIASAM-BOLA Fametrahana politika manintona isarihana ireo mpampiasa vola amin’ny alalan’ny fananganana ny EDBM (amin’ny maha-fitaovana ara-politika azy sy amin’ny maha-rafitra matoa azy ho amin’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola), fampiharana ny lalàna vaovao mikasika ny fampiasam-bola (mora ampiasaina, mangarahara ary tena manavao), ny fanavaozana ny lalana momba ny fananan-tany (mba hahazoan’ireo vahiny hanan-tany), ny fanamorana ny rafitry ny hetra, sns …. MIKASIKA NY FOTOTRY NY SEHATRA TSY MIANKINA Famporisihana ny hisian’ny indostria amin’ny sehatra midadasika izay hampiasa ny ankamaroan’ny mpiasa ambiny, amin’ny alalan’ny hetsika sahy mampivelatra ny fandraharahana eo amin’ny firenena sy fandraisana fepetra sahy miompana amin’ny tolotra (sampan-draharaha misahana ny fanitarana ny indostria, sehatra iforonana sy ivelaran’ny orinasa, famatsiam-bola madinika, sns …) ary koa mikendry ny hanentana ny fampandrosoana ireo orinasa eto an-toerana, ireo orinasa tena madininka, madinika sy salantsalany ary ny taozavatra. MIKASIKA NY FAMPIATIANA AN’I MADAGASIKARA AMIN’NY TOE-KARENA MANERANTANY Fampiakarana ny fahafaha-manaon’ny orinasa mpanondrana eo amin’ny lafiny hairaha sy varotra, amin’ny alalan’ny fandaharan’asa fanavaozandrafitra/ fampiakarana lenta ny indostria ary fananganana fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny haitao. Izany rehetra izany dia tafiditra ao amin’ny tetikady vaovao momba ny indostria mikendry ny hampidirana entana manan-tombo sanda hary eo amin’ny tsena fanondranana. MIKASIKA IREO LALAM-PIHARIANA OMENA LANJA MANOKANA Fanomezana lanja manokana ny hetsika fampandrosoana sy ny fametrahana tetikasa fampiasam-bola vaovao, eo amin’ny lalam-pihariana heverina fa tena laharam-pahamehana noho ny fiterahany fampandrosoana ho an’ny sehatra hafa. Ireto avy ireo lalam-pihariana ireo : fizahan-tany, fanodinana vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana, ny fotodrafitrasa, ary ny hairaha momba ny informatika sy ny fifandraisana (TIC). 6 Fizarana B : Ny hetsika ara-politika B1. TONTOLON’NY FANDRAHARAHANA SY FAMPIROBOROBOANA NY FAMPIASAMBOLA 13. Ny Repoblikan’i Madagasikara dia maniry hisarika ireo mpampiasa vola hampiasa ny volany eto Madagasikara ary hanao ny sehatra tsy miankina amin’ny Fanjakana ho fanoitra hampandeha ny toe-kareny. Miainga avy amin’ireo tahirin-kevitra izay natao ho tari-dalana toy ny “Madagasikara Voajanahary” sy ny “Madagasikara Amperin’Asa (MAP),” ny Fanjakana dia namaritra izay heveriny fa laharam-pahamehana ho amin’ny fanohizana ny dia mankany amin’ny fitomboana ara-toe-karena matanjaka mifototra amin’ny fampivoarana ny sehatra tsy miankina amin’ny Fanjakana matanjaka sady afaka miatrika fifaninanana. 14. Noho izany, dia ilaina ny : Mametraka tontolo mahasarika ny mpampiasa vola hampiasa ny volany eo amin’ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara, ka tsy hisian’ny tombo sy hala eo amin’ireo sokajin’ny mpampiasa vola, na avy eto an-toerana izany na avy any ivelany, ho an’ireo izay efa mitoetra eto Madagasikara na manana faniriana ny hitoetra eto, Manamora ireo fepetra samihafa eo amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy samihafa ilaina mba hahazoana manome endrika vaovao ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara, Manatsara ny fahafaha-mifaninan’ireo orinasa izay efa miorina eto Madagasikara, Mamela ireo orinasa izay fehezin’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara hanan-jo hanan-tany, na dia misy vahiny aza anisan’ny tompon’orinasa. Ny Fanjakana dia efa nanao volavolan-dalàna mitondra ny lohateny hoe « Lalàna mikasika ny fampiasam-bola eto Madagasikara ,» io lalàna io dia natao mba hahafahan’ ireo mpampiasa vola matoky sy mahazo antoka fa handeha tsara ny fampiasam-bola izay ataony. 15. Efa nodinihina tao amin’ny filan-kevitry ny minisitra io volavolan-dalàna tamin’ny 11 jona 2007 ary tsy maintsy mbola hankatoavin’ireo fahefana mpanao lalàna. Na izany aza anefa dia mahaliana ihany ny misarika ny saina ho amin’ireto hevitra roa ireto izay miavaka tanteraka amin’ny fahita tany aloha : Fananan-jo hanan-tany eo amin’ny vahiny: manoso-kevitra io volavolan-dalàna io ny hanomezana zo ho an’ny vahiny hanan-tany, hombana fepetra sasantsasany; Fahazoan-dalana manokana ahazoan’ny mpampiasa vola mipetraka eto Madagasikara: Io fahazoan-dalana mipetraka io dia manome zo feno izay manana azy mba hipetraka sy hiasa ara-dalàna eto Madagasikara ary 3 taona no faharetany. 7 16. Ny lalàna vaovao mikasika ny fampiasam-bola dia tokony hametraka tontolo izay azo tsapain-tanana fa mahasarika, mangarahara ary tena maharaka toetr’andro ho an’ireo asa fampiasam-bola rehetra izay atao eto Madagasikara. Ny tanjona amin’izany dia ny hahatonga ny lambanam-pihariana eto an-toerana hifanaraka tsara amin’ny zava-misy sy ho voaentana haingana, mba hahatonga azy hanakaikikaiky kokoa ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny toe-karena iraisam-pirenena indrindra eo amin’ny sehatry ny fifaninanana sy mba hahatonga an’i Madagasikara hifanaraka mandrakariva amin’ireo fironana goavana manerantany, mba hahatonga azy hanintona ireo renivola ilaina amin’ny famoronana asa sy mba hahatonga ny firenena hanana toe-karena misondrotra. Araka io lalàna io, ny anjaran’ny Fanjakana dia ny fanamoràna ny fepetra rehetra mikasika ny sehatra tsy miankina izay voalohany amin’ny fanorenana ny harena ho an’ny firenena ary fanoitra voalohany ho an’ny fitomboana ara-toe-karena, amin’ny alalan’ny famoronana asa, fampitomboana ny fahafahamamokatra ary ny fari-piainana, sady mandray anjara koa amin’ny fampitomboana ny isan’ny mpandoa hetra amin’ny fomba maharitra amin’ny ivo ezaka sy lavitra ezaka. 17. Mba hahazoany miatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ahazoany mitrandraka ny tombontsoa ananany eo amin’ny fifaninanana dia ilain’i Madagasikara ny manao izay hahatonga ny tontolon’ny fandraharahana eo aminy hahasarika ; noho izany, izy dia tsy maintsy apetraka ny lalàna-fehizoro izay ampiharina amin’ny fampiasam-bola rehetra avy eto an-toerana sy avy any ivelany, ka ny fandrafetana izana lalàna izany dia atao amin’ny alalan’ny ny fifampidinihina malalaka eo amin’ireo mpandray anjara avy amin’ny Fanjakana sy avy amin’ny sehatra tsy miankina. 18. Mikasika ilay volavolan-dalàna, dia mety hanontany tena ny sehatra tsy miankina ny amin’ny tsy fisian’ny fepetra famporisihana eo amin’ny lafiny hetra. Raha jerena amin’izao fotsiny, dia mari-pototra ireny fanontaniana ireny satria ilaina ny mametraka fepetra mahasarika raha tiana ny hisarika mpampiasa vola. Rehefa dinihina anefa, dia manontany tena ihany koa isika hoe : tena tombony marina ho an’ny firenena toa an i Madagasikara ve ny politika famporisihana ara-ketra ? Fantatra ankehitriny fa ny fahatongavan’ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany (IDE), alohan’ny zavatra rehetra, dia miankina amin’ny zavatra maromaro toy ny haben’ny tsena, ny fahafaha-mamokatry ny olona ampiasaina, ary ny fotodrafitrasa. Raha mitovitovy avokoa ny toetoetr’ ireo fototra ireo eo amin’ny firenena maromaro, dia hitady izay firenana manome fepetra famporisihana ara-ketra tsara indrindra ny orinasa. Nefa kosa raha misy tsy fetezany ny amin’ireo fototra ireo, dia tsy mamaritra intsony ny safidy hampiasa vola amin’ilay firenena ny fepetra famporisihana ara-ketra fa mijanona ho lafiny iray ao anatin’ny maro tsy maintsy dinihana. 19. Vokatr’izany, dia mihevitra ny Fanjakana fa alohan’ny handinihina ny hametrahana fepetra famporisihana manokana dia efa tokony ho nametraka fepetra ankapobeny momba ny ny hetra izay malefaka ka mamporisika ho amin’ny fampiasam-bola amin’ny endriny rehetra ny firenena. Tsy misy izay tokony hahasakana azy tsy hijery amin’ny tranga toy inona no marim-pototra ny fametrahana fepetra famporisihana ara-ketra, any aoriana. 20. Izay fomba fijery izay no nitarika ny Fanjakana hiroso ho amin’ny fanovana ny rafitra mifehy ny hetra sy ny fadin-tseranana mba hahatonga izany ho tsotra araka ny tokony ho izy, ho tena haingana ary ho ara-drariny. Miaraka amin’ny fanohanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena, dia efa natao ny fanadihadiana feno mikasika ny fitsipika mifehy ny hetra, niaraka tamin’ny fandraisana anjaran’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena. Kasaina ny hampihatra fepetra mikasika ny hetra faran’izay tsotra sy mamporisika ho amin’ny fampiasam-bola manomboka amin’ny taona 2008. 8 21. Fantatry ny Fanjakana tsara fa ny fanavaozana eo amin’ny lafiny hetra sy fadintseranana izay tanterahina dia mety hampihena betsaka ny vola miditra amin’ny kitapombolam-panjakana. Na izany aza anefa dia matoky izy fa ireo fepetra hampidirana ny besinimaro amin’ny sehatra manara-penitra dia ahatonga ny isan’ny mpandoa hetra hitombo hatrany. 22. Efa nanao fanambaràna mikasika ny lesoka teo amin’ny rafitry ny hetra eto Madagasikara ny Tahirim-bola iraisam-pirenana ary nolazainy tamin’izany fa raha ny zavamisy no jerena, dia tsy misy afa-tsy ny 3 %-n’ireo izay tokony handoa hetra ihany no mandoa hetra ; ny 97 % sisa kosa dia mbola tsy hita izay hanaovana azy hatramin’izao. Ankoatra izany, dia ambany dia ambany ny taham-pamorian-ketra eto amin’ny firenena : raha noferana fa ho 11,4 isan-jaton’ny harikarena faobe ny volan-ketra hiditra tamin’ny taona 2006, dia 10,isan-jato ihany no tratra. Nateraky ny fomba famorian-ketra sy ny sy ny firafitry ny hetra manan-kery eto amin’ny firenena io tsy fahombiazana io. Raha amin’izay fomba fijery izay dia fomba fiasa fototra entina mampiakatra ny volan-ketra miditra amin’ny Fanjakana ny fampitomboana ny isan’ny mpandoa hetra sy ny fampikarana ny taham-pamorian-ketra. 23. Raha akapoka izay rehetra izay, dia anisan’ny fomba hamporisihana ny mpandraharaha mba hampiasa vola eto Madagasikara ny fanatsorana sy ny tsy fiovaovana ny hetra ary izany dia tafiditra indrindra amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Ny fitsipika mifehy ny faritra afakaba izay mbola manan-kery ankehitriny dia lazaina mandrakariva fa fahombiazana raha ny resaka fampiroboroboana ny fampiasam-bola no asian-teny. 9 B2. FOTOTRY NY SEHATRA TSY MIANKINA ETO AMIN’NY FIRENENA 24. Misy karazana orinasa telo samihafa miara-monina eto Madagasikara. Amin’ny tendrony anankiray (sosona A), dia ahitana orinasa manaraka toetr’andro vitsivitsy, tantanan’ny teratany na vahiny, afaka miaina tsara, izay manome asa raikitra amin’ny fotoana feno an’ireo mpiasa tsara hofana ary izy ireo dia manana fifandraisana amin’ny tsena maneran-tany : tsy iza ireo fa ny orinasa amin’ny faritra afakaba. Amin’ny tendrony ilany kosa kosa (sosona D) dia ahitana orinasa tena madinika sy orinasa madinika marobe, izay mila ho tafiditra mihitsy any amin’ny tsy manara-penitra ny fijery azy. Izy ireo indray dia mampiasa, amin’ny ankabetsahany, ireo mpiasa tsy tsara hofana, matetika dia an-tselika no iasan’izy ireo: miompana amin’ny tsena anatiny ireo orinasa tena madinika sy madinika ireo ka mitondra vokatra izay sahaza ny fahafaha-mividin’ny mahantra. Eo anelanelan’ireo karazana orinasa roa ireo no ahitana ireo orinasam-pirenena salantsalany izay afaka mamokatra vokatra aondrana (sosona B). Anisan’ny toetra mampiavaka ity sosona iray ity dia dia sarotra ny mamatsy vola amin’ny fepetra ara-barotra mba hahazoany mivoatra sy mivelatra. Matetika izy ireo dia antsoina hoe “singa afovoany banga” eo amin’ny firafitry ny orinasa ao amin’ireo firenena tratra ao aoriana indrindra. Raha eto Madagasikara, dia tsy iza ireo orinasa ireo fa ny orinasa Malagasy fehezin’ny lalàna mifehy ny ankapobem-bahoaka. 25. Amin’ny ankapobeny, ny tanjona dia ny fiaraha-mampiroborobo ireo sehatra telo ireo : ilaina ny mamporisika ny seha-pihariana nentim-paharazana (sosona C), izay ahitana ireo orinasa madinika sy tena madinika marobe mampiasa ny haitao nentim-paharazana sy ireo teknika mifototra amin’ny mpiasa tsy tsara hofana marobe, raha tiana ny ahafahany mamaly ny filana fototra toy ny sakafo, ny fitafiana ary ny trano fonenana. Ny seha-pihariana anelanelany (sosona B) izay heverina fa orinasa mifototra bebe kokoa amin’ny fahaizana amam-pahalalana, dia ahitana ireo orinasam-pirenena salantsalany izay mety mamokatra vokatra aondrana. Farany, azo atao ny maminavina sahady fa ny seha-pihariana amin’ny fanondranana (sosona A) dia hiatrika ny fanamby amin’ny fanovàna sy ny fanamboarana ireo vokatra voaodina. Ny zava-kendrena amin’izany dia ny fanosehana ireo mpamokatra sasantsasany ho tafiditra amin’ny vakin-tsena avo lenta eo amin’ny tsena iraisam-pirenana ary ny famporisihana sy ny fandraisana fampiasam-bola avy any ivelany. Io seha-pihariana io izany no ho tonga fanoitra izay ahatonga ny toe-karena amin’ny ankapobeny hitombo hatrany sady koa ahazoan’ny firenena ny fahaiza-manao ara-haitao sy ara-pitantanana. 26. Amin’ny ankapobeny, raha toa ireo orinasa izay mifandray amin’ny tsena ivelany ka maniry ny hisian’ny fepetra manatsara ny fiasan’ny fotodrafitrasa, ny lalàna sy fitsipika misy ary ny rantsamangaika mba ahafahany mampitombo ny fahafaha-manaony, dia hita fa tsy ampy ireny fepetra ireny mba hampahombiazana ireo orinasa izay efa zatra niasa ho an’ny tsena anatiny (orinasa madinika sy salantsalany izay fehezin’ny lalàna mifehy ny ankapobembahoaka sy ireo orinasa tena madinika sy orinasa madinika). 27. Ankoatra ireo orinasa afakaba, dia azo lazaina fa marefo ny indostria malagasy. Misedra sakana goavana ireo orinasa miasa eo amin’ny tsena anatiny. Matetika no efa tsy maharaka toetr’andro intsony ireo fitaovam-pamokarany noho ny tsy fahampian’ny fanentanana eo amin’ny fampiasam-bola. Noho ny tsy fahafahan’izy ireo mifaninana firy, dia ireo mpanafatra entana avy any ivelany no mahazo tombontsoa eo amin’ny tsena anatiny. Miteraka sakodina mijotsotso izany: very anjara tsena ny mpamokatra ankoatra ny orinasa afakaba ka mihena ny fampiasana ny fahafaha-mamokatr’izy ireo; izany dia mitarika tsy faharisihana hampiasa vola izay mampihena bebe kokoa ny fahafaha-mifaninana rehefa ela ny ela. Noho izany, ilaina ny manatanteraka hetsika mahery vaika raha toa ka tiana ny hampiroborobo sy hampahatanjaka kokoa io sokajin’orinasa io (orinasa madinika sy salantsalany, orinasa tena madinika sy madinika ary ireo orinasa izay mifototra amin’ny taozavatra). 10 28. Hatramin’ny taona 2002, ny Fanjakana dia nametraka politika ho fampiroboroboana ny orinasa madinika sy salantsalany tamin’ny alalan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Asa. Mikasika ny taozavatra manokana, natao izay hampahatanjaka kokoa ny sehatry ny fampiroboroboana; natao izay hisian’ny fandaharan’asa fanofanana, nisy koa fanavaozan-drafitra teo amin’ny seha-pihariana amin’ny famokarana sasantsasany tamin’ny alalan’ny fananganana vondron’orinasa. Na dia izany aza, dia mbola ambany ihany ny fahafaha-mamokatra eo amin’ny orinasa madinika sy salantsalany sy eo amin’ny seha-pihariana taozavatra, satria voafetra ny fanarahan’izy ireo toetr’andro. Ny sehapihariana tsy manara-penitra dia mibahan-toerana mandrakariva. Voafetra ny fidirana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy dia misy firy ny toe-tsaina mpandraharaha. Mbola betsaka ny mety ho azo avy amin’ny fifandraisan’orinasa avy ety ifotony ka hatramin’ny tanjona farany ambony sy ny fampivondronana orinasa mitovy lenta raha miresaka famokarana vokatra iray. 29. Tanjona fototra eo amin’ny paikadim-pirenena amin’ny ady atao amin’ny fahantrana ny fikatsahana fandrosoana ara-toe-karena matanjaka sy andraisan’ny besinimaro tombontsoa ary miteraka asa maro. Ny fampihenana haingana ny fahantrana eto Madagasikara dia tsy maintsy mandalo amin’ny fampitomboana ny hetsika atao amin’ny fambolena sy ny fiompiana (izay mampiasa ny 70 isan-jaton’ny malagasy eo ho eo) amin’ny lafiny iray, ary ny fanitarana ny fanodinana vokatra izay mampiasa amin’ny ankapobeny ireo mpiasa tsy tsara hofana ary mikendry ny tsena anatiny amin’ny alalan’ny fanomezana ny asa ataony na amin’ny alalan’ny famokarana zavatra izay sahaza ny fahafaha-mividin’ny mahantra, amin’ny lafiny iray hafa koa. Ireo zavatra roa ireo no fanoitra izay hampiainga ny indostria eto amin’ny firenena. 30. Eo amin’izay fomba fijery izay sy mba hahazoana manohana ny politikam-pirenena, ny Fanjakana dia mikasa ny hampivelatra ny indostria amin’ny sehatra midadasika izay hampiasa amin’ny fomba mahery vaika ireo tombona isa eo amin’ny mpiasa amin’ny alalan’ny hetsika sahy mampivelatra ny fandraharahana eo amin’ny firenena sy fandraisana fepetra henjana, ka atao laharam-pahamehana amin’izany ny tolotra (sampan-draharaha misahana ny fanitarana ny indostria, ny sehatra iforonana sy ivelaran’ny orinasa, fampindramam-bola madinika, sns…) sady koa mikendry ny fampiroboroboana ny indostria eto an-toerana, ireo orinasa madinika sy salantsalany, ireo orinasa tena madinika sy madinika ary ny taozavatra. Noho izany dia nanoritra ny MAP fa tokony apetraka ny ivontoeram-paritra momba ny fampandrosoana ny indostria sy ny varotra (CERDIC). 11 B3. FAMPIATIANA AN’I MADAGASIKARA AMIN’NY TOE-KAREN’IZAO TONTOLO IZAO 31. Toy ny firenena andalam-pandrosoana maro dia miatrika fanamby lehibe iray i Madagasikara dia ny hanao izay hisian’ny fandrosoana maharitra eo amin’ny toe-kareny sy izay hisian’ny asa ho an’ny mponina ao aminy. Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny izany mponina izany ary tanora ny ankamaroany, ary monina any ambanivohitra, sady ahitana taham-pahantrana avo dia avo. Ny fanatanterahana fanavaozana goavana, ny fisokafan’ny toe-karena amin’ny any ivelany ary ny fihatsaràn’ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny firenana mivondrona ao amin’ny OCDE dia nanohana ny fivoarana goavana izay hita teto Madagasikara nandritra ny taona vitsivitsy izao. Nitombo 5 isan-jato isan-taona ny hari-karena faobe raha atao ny salan’isa teo anelanelan’ny 2004 sy 2006, taha izay azo heverina ho tsara indrindra raha heverina fa niharan’ny loza voajanahary ny firenena tamin’izany. Marefo anefa io fitomboana io satria seha-pihariana mora afindra toerana toy ny famokarana fitafiana no mitarika azy. Tandidomin-doza ny fahafahan’i Madagasikara mifanina amin’ireny sehatra ireny noho ny fanavaozan-drafitra misy eo amin’ny tambazotram-pamokarana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. 32. Fiovana iray goavana tsikaritra teo amin’ny varotra iraisam-pirenena tao anatin’ny 20 taona lasa izay ny fivakivakisana vaovao eo amin’ny lalam-pamokarana: raha tambatr’orinasa vaventy iraisam-pirenena izay ahitana orinasa maromaro mifampiankina no hita tany aloha dia lasa tambazotra marososona izay ifamatorana orinasa mahaleo tena maromaro noho ny varotra ataony no hita amin’izao fotoana izao. Satria eo am-pelatanany ny harena fototra toy ny hairaha, ny fahalalana ary ny marika, dia voafehy sy voarindran’ireo orinasa fitaratra (toy ny tambatr’orinasa iraisam-pirenena, mpividy na mpaninjara masahana izao tontolo izao) ny rafi-pamokarana maro sosona manerana an’izao tontolo izao na dia tsy eo am-pelatanany mivantana aza ireny rafim-pamokarana ireny. Ohatra miharihary amin’izany ny seha-pihariana informatika. Hita fa miha-mifatotra bebe kokoa hatrany ny famokarana eo amin’ny lalampihariana iraisam-pirenena izay misandrahaka amin’ny firenena maro ka ny tsirairay dia miezaka hisahana lafiny iray manokana amin’ireo dingam-pamokarana. Antony maro no niteraka izany fivakivakisan’ny famokarana izany ho amin’ny toerana maro ka anisan’izany ny fanatsaràna entin’ny TIC, ny fitadiavana firenana iasana izay mora vidy ny mamokatra ao aminy, ny fihatsaràn’ny fampitaovana, ny fahazoana miditra amin’ny tsena sasany amin’ny fomba manokana, ary ny fialana amin’ny sakana ara-barotra sasany. 33. Afaka mandresy ireo sakantsakana eo an-toerana ny mpamokatra any amin’ny firenena andalam-pandrosoana amin’ny alalan’ny fifandraisany amin’ny mpiombona antoka any ivelany. Amin’ny alalan’izy ireny mantsy no ahafahan’ny mpamokatra eto an-toerana miditra amin’ny tsena any lavitra any, mandray fahaiza-manao vaovao sy mampanaraka toetr’andro ny indostria. Tsy mora anefa ny fandraisana anjara amin’ny lalam-pihariana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenana (CVM) ary tsy miantoka ny fampanarahana ny toetr’andro izany. Matetika tokoa mantsy no tsy afaka manaraka ny takian’ireo orinasa fitaratra ny orinasa any amin’ny tany andalam-pandrosoana ka dia mijanona any amin’ny lafiny farany ambanin’ny lalam-pihariana hatrany izy ireo, izany hoe mihanina amin’ny asampanambàrana madinidinika izay tsy miteraka sanda hary firy. Mampiasa vola amin’ny fanatsarana ny fahafaha-manaon’ny orinasa mamatsy azy ireo orinasa fitaratra matetika, kanefa voafetra ihany ny fampanarahana toetr’andro ara-indostria aterak’ izany. Mifidifidy ny lafiny tohanan’ izy ireo mantsy ny orinasa fitaratra ka saika ny lafiny famokarana sy famatsiana entana ihany no tohanany fa tsy omeny lanja firy ny famoronana sy ny fivarotana. Ahitana fiovana be koa ny tontolon’ny fifaninana sy ny lalana. Rehefa miditra amin’ny CVM iray ny orinasa dia miatrika mpivarotra manana fahafaha-mifaninana ambony kokoa noho ny azy izay afaka misahana asa maromaro kokoa ankoatra ny fanambarana tsotra izao. Ankoatra izany dia miatrika fenitra henjakenjana kokoa ihany koa izy ireny ary izany dia misy fiantraikany amin’ny fitsinjarana ny tombom-barotra eo amin’ilay CVM sy ny fahafahana mampanaraka toetr’andro ny indostria. 12 34. Tsy maintsy manaja fenitra mifandraika amin’ny kalitao, ny aroloza, ny fikajiana ny tontolo iainana ary mety ho amin’ny fikajiana ny fiaraha-monina mihitsy aza ny mpamokatra rehefa hiditra amin’ny CVM iray amin’ny ankapobeny. Misy lafintsarany sy lafiratsiny ho an’ny mpanondrana avy any amin’ny tany andalam-pandrosoana ny fihenjanana misy eo amin’ny fenitra. Eo andaniny dia manasarotra ny fidiran’izy ireo eo amin’ny tsena izany kanefa etsy ankilany dia miteraka fanavaozan-drafitra eo amin’ny fampitaovana eo an-toerana izany ka manamora ny hidirana amin’ilay CVM sy ny ahazoana tombony hafa. 35. Manampy ny mpamatsy azy ireo ny mpividy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indraindray mba hahazon’ny mpamatsy fanamarinana (certification) sy hampanarahan’izy ireo toetr’andro ny famokarany. Miharihary izany eo amin’ny sehatry ny fitafiana sy ny kojakoja eletronika. Eo andaniny kosa anefa dia henjana ny fitakian’ireo mpividy ireo eo fahavonona hamokatra izay ilainy, eo amin’ny fe-potoana hamokarana izany, eo amin’ny karazana sy kalitaom-bokatra. Satria efa nohalalahana tanteraka ny varotra dia tsy mirona amin’ny fifandraisana amin’ny mpamatsy maro intsony ny mpividy fa aleony manamafy ny fifandraisany amin’ireo izay tena mahay miasa. Izany fiovana izany dia mety hanakana ny mpamokatra madinika tsy handray anjara amin’ny tsena sy tsy hampanaraka toetr’andro ny famokarany. Raha eo anefa izany fiovana mampiahiahy izany dia misy koa fahombiazana eo amin’ny fampitomboana karazana sy fampanarahana toetr’andro ny indostria. Izany dia manaporofo fa mbola misy ihany ny ahafahan’ny mpamokatra madinika mivelatra. Mba hisian’izany fivelarana izany anefa, dia tsy maintsy atrehina ny fanamby ara-teknolojia sy arapitantanana izay tsy ho vitan’ny orinasa samirery. 36. Araka izany ilaina ny politika fanohanana (fanavaozan-drafitra, fampanarahana toetr’andro ny indostria, fametrahana fotodrafitrasa ara-teknolojia) raha tiana ny hanohizan’ireo orinasa mpanondrana ny fampanarahany toetr’andro ny indostria ka ahafahany mampiditra vokatra misy sanda hary bebe kokoa amin’ny tsena iraisampirenena. Ankoatra ny fametrahana harifaobe mari-pototra sy tontolon’ny fandraharahana tsara kokoa, dia tokony hanao dingana ny Fanjakana eo amin’ny fanamafisana ny fahafahamanao sy ny fametrahana fifamatorana. Tokony ho dinihana akaiky ny vidiny sy ny mahamety ny fanatanterahana izany dingana izany ary hatao miaraka amin’ny sehatra tsy miankina ny famolavolana sy fanatanterahana azy. 37. Noho ny fahareseny lahatra, dia mikasa ny hanao fifampidinihana eo amin’ny sehatra nasionaly ny Fanjakana mba ahitana ny fomba tsara indindra hanamafisana ny fahafahan’ny orinasa miditra amin’ireo CVM. Izany koa no fomba hamaritana ny paikady mety indrindra mba hampidirana entana ambony sanda hary eo amin’ny tsena fanondranana. Tsy ho hita ny sehatr’asa tokony apetraka ho laharam-pamehana, tsy ho fantatra ny tsy firindrana misy ary tsy ho raisina ho ara-dalana ny fidiran’ny Fanjakana an-tsehatra raha tsy misy ny fiaraha-miasa maty paika eo amin’ny Fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena. 13 B4. LALAN’ ASA OMEN-DANJA MANOKANA 38. Omen’ny Fanjakana laharam-pamehana ambony indrindra ao aminn’y paikadimpirenana ho an’ny fampandrosoana ireo politika izay mampandroso ny ivom-pampandrosoana sy manamafy ny fahafahan’ireo ivom-pampandrosoana ireo manondrana bebe kokoa hatrany. Nomeny lanja manokana tamin’izany ny sehatra efatra (ny faritra afakaba ara-indostria, ny harena ankibon’ny tany, ny fizahan-tany ary ny fitrandrahana makamba) ary napetrany haingana ny tetikasa Ivom-pampandrosoana Miaty (Pôles intégrés de croissance na PIC) mba hanafainganana ny fampandrosana ny toe-karem-pirenena amin’ny alalan’ny fitrandrahana feno ireo faritra manana tombony betsaka sy fanentanana ny fiombonana antoka eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina eo amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana fototra any amin’ireo ivom-pampandrosoana ireo. Anisan’ny hetsika kasaina ho tanterahina ao anatin’ny tetikasa PIC ny fananganana faritra afakaba ara-indostria eo anelanelan’ Antananarivo sy Antsirabe, ny fampivelarana ny fizahan-tany any Nosy Be sy ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany any Taolagnaro. Mbola misy hetsika hafa kasaina hatao amin’ireo ivom-pampandrosoana tsirairay avy ho fanohanana ny seha-pihariana nomena laharampamehana, ary misongadina amin’izany ny fananganana na fanavaozana ny fotodrafitrasa antanan-dehibe sy eny amin’ny seranam-tsambo (fampivelarana ny indostria eo amin’ny ivompampandrosoana Antananarivo – Antsirabe) 39. Tahaka izay natao tamin’ny tetikasa PIC izay miavaka indrindra satria marolafy ny asa sahaniny mba hiterahany fampandrosoana amin’ny sehatra maro dia mihevitra ny hanome lanja manokana ny hetsika fampandrosoana ny Fanjakana ka hanangana tetikasa fampiasambola vaovao amin’ireo seha-pihariana izay heverina ho laharam-pamehana satria mitarika fampandrosoana amin’ny sehatra hafa ihany koa. Ireto avy izany seha-pihariana izany: fizahan-tany, fanodinana ny vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana, fanodinana entamadinika fanondrana, fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, ny fotodrafitrasa ary ny hairaha momba ny informatika sy ny fifandraisana (na TIC). 40. Raha ny fizahan-tany no resahina, dia tsy ilaina intsony angamba ny manaporofo fa manana harena manokana i Madagasikara: miombon-kevitra ireo matihanina fa manana harena izay afaka mamaly filàna isan-karazany i Madagasikara. Marihina manokana fa mety hanampy ireo faritra mitoka-monina hisokatra ka handray ny fampandrosoana ara-indostria ny fizahan-tany. Mety hanana fiantraika tsara amin’ireo vondron’olona mahantra indrindra koa ny fizahan-tany satria miteraka fampandrosoana ho an’ny seha-pihariana hafa toy ny tao-zavatra sy ny asa fandraharahana. Ilaina mihitsy ny fisian’ny Sori-dalana fototra ho an’io sehapihariana ireo raha tiana ny hitomboany amin’ny fomba mirindra sy maharitra. 41. Raha ny fanodinana ny vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana kosa no resahina, iriana ny hitodihany ho amin’ny fanondranana. Araka izany, mikasa hanao hetsika fampahafantarana sy fanentanana goavana ny Fanjakana mba hanatsarana ireo masontsivana takian’ny tsena iraisam-pirenena toy ny fahafantarana ny niavin’ny ankora rehetra amin’ny vokatra voaodina iray, ny fenitra ara-pahasalamana, sns. Tokony hisongadina miaraka amin’izany koa ny lalam-pihariana toy ny loha menaka sy ny solika avy amin’ny zavamaniry. 42. Raha ny fanodinana enta-madinika fanondrana indray no resahina, dia ny hampitombo ny fahafaha-mifanana eo amin’ny tsena fanondranana no kendrena ho an’ny seha-pihariana toy ny fitafiana, ny kiraro, ny famantaranandro, ny kilalao, ny kojakoja momba ny fanatanjahan-tena, sns. 14 43. Betsaka ny harena ankibon’ny tany ananan’i Madagasikara kanefa toa tsy nojerena firy izany tany aloha tany. Tanjona kosa ankehitriny ny hampivelatra izany seha-pihariana izany haingana mba hitondrany voka-tsoa azo tsapain-tanana toy ny fiforonana asa vaovao, ny fitomboan’ny fidiran-ketra, ny fananganana fotodrafitrasa sy fikarakarana ara-sosialy. Hanohana ireo tetikasa fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany efa misy ny Fanjakana ka hamporisika azy ireo hiroso haingana amin’ny dingana famoahana vokatra, ary izany rehetra izany dia hatao am-panajana ny fiaraha-monina sy am-pikajiana ny tontolo iainana. Hataon’ny Fanjakana izay hitrandrahana amin’ny fomba feno ny harena ankibon’ny tany izay misy amin’ny alalan’ny fanintonana mpitrandraka maromaro kokoa nefa mikajy ihany koa ny harena voajanahary eo anivon’ ny firenena. 44. Mitaky fampiasam-bola goavana ny fotodrafitrasa satria midadasika ny tanin’i Madagasikara. Ankoatra ny làlana dia mbola ilaina ihany koa ny seranam-piaramanidina, ny seranan-tsambo ary angovo ampy isian’ny fitomboan’ny toe-karena haingana sady maharitra. Araka izay hita ao amin’ny tetikasa PIC, dia omen’ny Fanjakana lanja manokana ny fotodrafitrasa fampandrosoana izay mahakasika ny ivom-pampandrosoana mba hiterahan’ireo fampandrosana betsaka araka izay tratra amin’ireo sehatra hafa. 45. Raha ny tambazotram-pitaterana kosa no resahina dia saika niompana tanteraka tamin’ny làlana ny asa nanomboka tamin’ny 2002. Nisy koa anefa fandrosoana hita teo amin’ny lalamby, ny seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina na dia nijanona tamin’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa nisy ihany aza izany. Tian’ny Fanjakana ho hita manomboka izao fa : (i) mifandray mivantana amin’ny fampandrosoana ireo faritra afaka hiteraka fampandrosoana ara-toe-karena betsaka ny drafitrasa lavitr’ezaka momba ny fotodrafitrasa, ary (ii) mandray anjara bebe kokoa ny sehatra tsy miankina satria tsy ampy ny manangana làlana vaovao fa ilaina koa ny mikoja ireo izay efa misy. 46. Raha ny momba ny angovo indray no resahina, dia hita fa nihena ny tolotra ary tsy azo ianterahana firy. Nitombo koa ny vidin’ny angovo tao anatin’ny efatra taona ary 15 isanjaton’ny mponina ihany no mahazo jiro amin’ny ankapobeny ary 5 isan-jaton’ny faritra ambanivohitra. Tsy mbola vita ny fanavaozan-drafitra an’ny JIRAMA tamin’ny taona 2006, fanavaozan-drafitra izay tokony ho nahafahany niatrika ny fitomboan’ny filàna angovo. Na dia izany aza, dia manantanteraka fanavaozana goavana ny Fanjakana amin’izao fotoana izao. Ny JIRAMA koa dia nanome toky fa amin’ity taona ity ireo faritra be mpanjifa rehetra dia hanana foibe mpamokatra herinaratra vaovao izay afaka hamaly ny fitomboan’ny tinady ao anatin’ny telo ka hatramin’ny dimy taona manaraka. 47. Farany, momba ny hairaha informatika sy momba ny fifandraisana (TIC), dia ho roa sosona ny vokany eo amin’ny fahafahan’ ny firenena toy i Madagasikara miditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Eto andaniny, dia mampidina ny saram-pitaterana izany ka mahatonga an’i Madagasikara tsy hitoetra ho Nosy mitoka-monina intsony. Manokatra lalana ho an’ny fananganana lalan’ asa miompana amin’ny fanohanana ny varotra koa izany (fametrahana sy fitantanana raki-kevitra, fametrahana rafitra mpanome ankoran-kevitra, fanapariahana ankoran-kevitra, fikirakirana ankoran-kevitra amin’ny alalan’ny fifandraisandavitra, sns). Marihana fa manana tombony manokana momba izany i Madagasikara eo anivon’ireo firenena mampiasa ny teny frantsay. Etsy ankilany kosa anefa dia mitaky fitantanan-draharaha mahomby kokoa sy fotodrafitrasa avo lenta izany. Ho dingana lehibe mankany amin’ny toe-karena mifototra amin’ny fahaizana amam-pahalalana izany (jereo ny faritra voasoritra ao amin’ny pejy manaraka izay ahitana ny fivoaran’i Vietnam eo amin’ny fametrahana toe-karena mifototra amin’ny fahaizana amam-pahalalana). 15 Ny mandrafitra ny fandrosoana sy toe-karena mifototra amin’ny fahaizana amam-pahalalan’ i Vietnam Vitan’i Vietnam ny nitrandraka ny fahaizana amam-pahalalana nisy manerana izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny fanalalahana ny varotra tao aminy, ny fampiasana vola vahiny nombàn’ny fanaovazana ara-drafitra (indrindra eo amin’ny fananan-tany) ary ny famporisihana ny fampiasam-bola avy amin’ny sehatra tsy miankina. Nohatsaraina ny fampiasana ny volam-panjakana natokana ho an’ny fanabeazana ka tafakatra ho efa 100 isan-jato ny taham-pidirana an-tsekoly fanabezana fototra ary nitombo avy amin’ny 32 isan-jato (1990) nankany amin’ny 70 isan-jato (2002) kosa ny taham-pidirana an-tsekoly ambaratonga faharoa. Noho ny fandaharam-panavaozana izay nifototra tamin’ny lalan’ny tolotra sy tinady dia nitombo 5.3 isan-jato ny hari-karena faoben’i Vietnam teo anelanelan’ny 1993 sy 2002. Nandritra ny taona 1990 – 2000 dia nampiharin’ny Fanjakana ny fanapariaham-pahefana eo amin’ny lafiny fitantanana ara-toekarena; nahena ny fanohanana ara-bola ho an’ ireo orinasam-panjakana ary nahena koa ny isan’ireny orinasa ireny ka nahatratra 12 000 tamin’ny 2002 raha 6 200 tamin’ny 1990. Nitombo 11 isan-jato isan-taona ny tahampamokarana teo anelanelan’ny 1997 sy 2002. Nosoloina fepetra ara-toekarena ny fepetra ara-pitantanan-draharaha maro ka tafiditra tamin’izany ny fametrahana politika ara-bola mifototra amin’ny lalan’ny tsena. Izany dia nahafahan’ny orinasa miankina sy tsy miankina nifandraharaha mivantana amin’ny tsena ivelany. Ny politikam-panondranana napetrak’i Vietnam dia nahatonga ny varotra hibahana mihoatra ny 100 isan-jaton’ny hari-karena faobe tamin’ny 2002 raha 60 isan-jato izany tamin’ny taona 1990. Nitombo avo roa eny ny varotra teo amin’ny USA sy Vietnam taorian’ny fifanarahana ara-barotra nataon’ny roa tonta tamin’ny 2001. Ny ampahatelon’ny mponina ao Vietnam dia afaka tamin’ny fahantrana nanomboka tamin’ny taona 1990: nihena ho 29 isan-jaton’ny mponina ny mahantra tamin’ny taona 2002 raha toa ka 58 isan-jatony izy ireo tamin’ny 1993. Tanteraka izany satria tany amboalohany, dia naverina nozaraina tamin’ireo ankohonana monina any ambanivohitra ny tany ary taty aoriana, dia nohavaozina hanaraka ny toetr’andro ny fambolena ary nampiroboroboana ny orinasa tsy miankina. Ny indostria no hery miteraka fitomboana eo amin’ny sehatry ny vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana, fitrandrahana harena ankibon’ny tany, ankora simika, lamba sy akanjo. Vola nentin’ny vahiny miombona antoka amin’ny mpandraharaha eo an-toerana na any ivelany no nentina nampandroso ny indostria tany Vietnam. Nitombo 17 isan-jato isan-taona ny vokatry ny indostria teo anelanelan’ny 1999 sy 2003. Raha ny vokatra efa mahazatra kosa no resahina, dia Vietnam no mpanondrana vary sy kafe faharoa amin’ireo firenena aziatika. Nitombo tsy ankiato ny indostria misahana ny fitaovana informatika mivaingana sy tsy mivaingana (“hardware” sy “software”) noho ny fitombon’ny tinady ivelany. Japana dia anisan’ny mpanafatra vokatra informatika tsy mivaingana be indrindra avy any Vietnam. Nitombo 27 isan-jato ny vokatra informatika mivaingana teo anelanelan’ny 2002 sy 2003 ary ny vokatra tsy mivaingana kosa nitombo 40 isan-jato. Tamin’ny faran’ny taona 2003 dia nisy 2 500 ireo orinasa misoratra ara-dalana misahana ny hairaha informatika. Ny 570 amin’ireo dia miompana amin’ny vokatra tsy mivaingana ka mampiasa teknisiana 12 000. Nandray anjara 0.3 isan-jaton’ny fitomboan’ny hari-karena faobe ny sehatry ny informatika teo anelanelan’ny 1993 sy 2001. Mikasa ny hanangana vondron’orinasa sy faritra natokana ho any orinasa miompana amin’ny vokatra informatika tsy mivaingana ao Ho Chi Minh City sy Hanoi ny Fanjakana. Afaka mirehareha i Ho Chi Minh City ny amin’ny fananany fotodrafitrasa ahafahana mianatra amin’ny alalan’ny Internet, mpiasa maro vonona avy hatrany hiasa amin’ny sehatry ny informatika, orinasa miompana amin’ny vokatra informatika tsy mivaingana sy amin’ny famokarana solontsaina, ary anjerimanontolo maromaro. Loharanon-kevitra: Banky iraisam-pirenena : Promoting Innovation in Developing Countries – A Conceptual Framework”, World Bank Policy Research Working Paper 3554. Ary koa, ao amin’ny “Building Knowledge Economies – Advanced Strategies for Development”, WBI Development Studies, 2007. 16 Tapany D: Ireo fepetra araka asa 48. Ireto fitaovana sy fepetra manaraka ireto no entin’ny Fanjakana manatanteka ny LPI: D1. NY EDBM: FITAOVANA IRAY ENTINA MANATANTERAKA NY POLITIKA ARA-TOEKARENA SY ARA-INDOSTRIA ARY RANTSAMANGAIKA ENTINA MAMPIROBOROBO NY FAMPIASAM-BOLA 49. Napetraka tamin’ny alalan’ny Didy tamin’ny 31 May 2006 ny Filan-kevitra momba ny Fampandrosoana ny Toekaren’i Madagasikara (EDBM) ho fitaovana entina manantanteraka ny politika ara-toe-karena sy ara-indostrian’ny Fanjakana sy ho rantsamangaika entina mampiroborobo ny fampiasam-bola. Araka izany, mandimby rantsamangaika roa izay tao amin’ny Tetikasa faharoa Fampivelarana ny Sehatra Tsy miankina ny EDBM, dia ny CAPE (Komity manohana ny fanentanana indray ny fandraharahana) sy ny GUIDE ( Birao tokana misahana ny fampiasam-bola sy fampiroboroboana ny fandrarahana). Nanomboka niasa ny EDBM tamin’ny 1 Janoary 2007 rehefa tafapetraka ny Filan-kevi-pitantanany. Vola avy amin’ny Banky iraisam-pirenenana mitentina 7 tapitrisa dolara no entiny miasa mandritra ny telo taona voalohany. Aorian’io fe-potoana io dia hahaleho tena ara-bola ny EDBM ka hanana fidiram-bola azy manokana. Toy izao ny mombamomba ny EDBM: • Eo ambanin’ny fitantanan’ny Fiadidiana ny Repoblika mivantana izy. • Miara-misalaha amin’ny ministera miahy ny sehatra tsy miankina izy eo amin’ny asa fanelanelanana sy fampandraisana anjara ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. • Miavaka amin’ny GUIDE izy satria tsy mijanona ho fampivondrona amin’ny toeana iray ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa fa manana andraikitra hafa koa: mahapahafantatra an’i Madagasikara ho toerana tsara hampiasam-bola any ivelany, manohana ny tetikasa fampiasam-bola aloha araka izay azony atao ary manoso-kevitra ny amin’ny izay hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. • Raha amin’izao fotoana izao manokana, dia sehatra enina no tena iompanan’ny asan’ny EDBM dia ny fizahan-tany, ny fanodinana ny vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana, ny indostria mpamokatra entana madinika fanondrana, ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, ny fotodrafitrasa ary ny hairaha informatika. 50. Raha ny amin’ny firafiny amin’izao fotoana dia toa izao ny rafitra mitantanana ny EDBM: • Solon-tena efatra avy amin’ireo sampan-draharaham-panjakana (Ministeran’ny Toekarena, ny Drafitra, ny Sehatra tsy miankina ary ny Varotra, Ministeran’ny Vola sy ny Teti-bola, Ministeran’ny Fambolena, Ministeran’ny Fanapariham-pahefana sy Fanajariana ny Tany); • Solon-tena efatra avy amin’ny sehatra tsy miankina; • Solon-tena iray avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika. 17 51. Sampan-draharaha telo no hita ao amin’ny EDBM: • Ny Sampan’asa “Fampiroboroboana ny fifandraisana amin’ny besinimaro” izay misahana andraikitra telo: (i) mandrafitra ny endrika hanehoana an’i Madagasikara (hampahafantatra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ity sampan-draharaha ity amin’ny alalan’ny fandraisana anjara sy fanomanana hetsika hanintonana ny mpampiasa vola), (ii) manara-maso ny tokony hivoaran’ny paikady, ary (iii) ny fampahafantarana mivantana an’i Madagasikara. • Ny Sampan’asa “Fanamoràna sy asa aman-draharaha” izay misahana andraikitra roa sosona : manohana ary manampy ny mpampiasa vola eo amin’ny fananganana ny tetikasany eo andaniny ary manoso-kevitra sy manatanteraka fanatsarana ny fomba fiasa izay mety ho sakana ho an’ny fampiasam-bola eo ankilany. • Ny Sampan’asa fitantanan-draharaha 52. Tsara ho marihina fa ny Sampan’asa Fanamorana dia miandraikitra indrindra ny fanatsorana ny fepetra fiasana ka manao asa mitovy amin’ny asan’ny Birao tokana izy amin’izany. Ahitana ny Front Office izay mifandray mivantana amin’ireo mpampiasa vola io Sampan’asa io ary koa ny Back Office izay mifandray amin’ireo ministera mpanome ny fahazoan-dalana isan-karazany. Ny Sampan’asa Fampiroboroana dia miezaka mampahafantatra an’i Madagasikara ho toerana tsara ampiasana vola. Araka izany rafipandaminana izany dia misaraka tanteraka amin’ny ministera misahana ny indostria ny asa fampiroboroana ka afaka mampifandrindra aingana ny asany amin’ny toe-java-misy sy miantoka asa avo lenta ny EDBM, izay zavatra tsy ho vitan’ny ministera ary amin’ny mahasampana fitantanan-draharaha azy. Raha dinihana tokoa mantsy dia mitaky finiviana sy fahaiza-manao manokana ny asa fampiroboroboana sy fandaminana ny fampiasam-bola na eo amin’ny lafiny ara-pitantanana na eo amin’ny lafiny mpiasa. Ny hita matetika dia ny lafiny fandaminana no tena mibahana ka latsa-danja ny asa fampiroboroboana. 53. Mba haha-tsotra ny fepetra fiasana dia namindran’ny ministera mpiahy fahefana ny EDBM hanome ireo fanomezan-dalana isan-karazany. Hapetraka ny tondro entina manjohy ny asa vitan’ny EDBM mandritra ny telo taona. 54. Farany, ny EDBM dia mbola miandraikitra koa ny fitarihana sy ny fanjohina fanadihadiana momba ny tetikasa fampandrosoana efatra, dia ireto avy izany: (i) fametrahana Banky Fampandrosoana, (ii) fanohizana ny fampivelarana ireo faritra fananganana indostria sy faritra afakaba hitrandrahana ny tombony azon’i Madagasikara noho ny fahamoran’ny karaman’ny mpiasa ao aminy, (iii) fanamorana ny firoboroboan’ny orinasa sy indostria salantsalany sy madinika mba hampiasana tsara ireo mpiasa ambiny, (iv) fampiroboroana ny fampindramam-bola madinika (amin’ny alalan’ireo andrim-pitantam-bola) ho fanafainganana ny fivelaran’ny orinasa sy indostria salantsalany sy madinika. 18 D2. FEPETRA FANENTANANA SY FANOHANANA ARA-DRAFITRA NY FAMPIROBOROBOANA NY FANONDRANANA 55. Raha ny fampiroboroboana ny fanondranana indray no resahina, dia hita fa ny tena latsa-danja eto Madagasikara dia ny fahazoana toro-hevitra eo am-pikarohana ireo tsena ivelany, ny famonosana sy fitehirizana entam-barotra, ny rafitra fitiliana sy fanamarinana kalitao, ny fampihenana ny vola lany eo amin’ireo dingana famokarana, ny fanadihadiana mialoha ny fampiasam-bola amin’ny tetikasa fanondranana, ny hetsika fivarotana eo amin’ireo tsena fanondranana, ary ny fahazoana fahaiza-manao eo amin’ny famolavolana ny endriky ny entam-barotra sy ny fomba famokarana azy ireo. Noho ireo toe-java-misy ireo, dia miankina betsaka amin’ny finiavan’ny Fanjakana hametraka paikady roa sosona ho fanentanana ny orinasa hanondrana ny fampiroboroboana ny fanondranana. Io paikady io dia hiompana amin’ny famolavolana sy fametrahana fanentanana sy fepetra fiasana mahomby eo amin’ny fanondranana eo andaniny ary fanohanana ara-drafitra etsy ankilany. Raha ny fanohanana ara-drafitra manokana no resahina, dia tsara raha hatsangana ny Komity iray eo ambanin’ ny fiahian’ny Fiadidiana ny Repoblika izay hizaha ny tsy mety eo amin’ny politika sy asa aman-draharaha mifandraika amin’ny fanondranana (famarotana, fepetra fiasana, …) ka hanoso-kevitra hanatsarana ny fampiroboroana ny fanondranana araka izay hita any Korea atsimo. 56. Raha ny amin’izao fotoana izao aloha dia miompana betsaka amin’ny fametrahana Birao tokana momba ny fanondranana ny asan’ny Fanjakana mba hanamorana ny fepetra fanondranana entana. Raha ny hetsika fanentanana indray no jerena, dia mihevitra ny hametraka tahiry manokana ho an’ny fanondranana ny Fanjakana. Mbola dinihana ihany koa ny hametrana Ivontoerana fampiroboroboana ny fanondranana toy izay hita any Tonizia (CEPEX na Foibe fampiroboroboana ny fanondranana). Misaraka tanteraka amin’ny FIPA (Foibe fampiroboroboana ny fampiasam-bola) ny CEPEX any Tonizia fa ny masoivohon’izy ireo any amin’ny firenana hafa kosa dia iray toerana ihany. 19 D3. FAMPAHANARAN-DREFY, FAMPAHANARAM-PENITRA, HANDRANA, SY FANAMARINANA KALITAO 57. Mibahana betsaka amin’ny varotra ivelan’i Madagasikara ireo entana fanondrana efa nahazatra. Anisan’ny sakana lehibe amin’ny fampivelarana ny fanondranana ny tsy fanarahan’ny vokatra ny fenitra sy ny kalitao takian’ny tsena iraisam-pirenana. 58. Eo andanin’izay, dia mihen-danja ny tombony azon’i Madagasikara avy amin’ny fahamoran’ny karaman’ny mpiasa ao aminy satria niova ny endriky ny fifaninana indrindra eo amin’ny famokarana lamba sy akanjo. Satria moa ao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja no ahafahana mivarotra ireo karazam-damba sy akanjo amin’ny izao fotoana dia tsy ny fahamoran’ny karaman’ny mpiasa intsony no tena ahafahana mifaninana fa ny fahazoana antoka kosa fa azo ara-potoana ny ankora fototra sy ny fahafahana manolotra ny entambarotra ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy. Mitovy amin’izany koa no hita eo amin’ny sehatra fanodinana vokatra fihinana: iankinanan’ny ain’io sehatra io mihitsy ny fahazoana antoka fa ara-dalàna ny fampangatsiahina ny vokatra mandra-pahatongany any amin’ny mpanjifa sy ny hafainganan’ny ny fampitàna ny vokatra sy ny fanamarinana ny kalitaony. Ankoatry ny fotodrafitrasa avo lenta izany dia mitaky fahatakaran’ny sampandraharaham-panjakana ny filany sy fiaraha-miasa mahomby avy ireo sampan-draharaha ireo ny fampandehanana ity sehatra iray ity. 59. Araka izany dia tokony hatsaraina ny fotodrafitrasa momba ny fampanaraham-penitra, ny handrana sy ny fanamarinana kalitao mba ahafahan’ny orinasa manatona sampandraharaha nahazo fankatoavana ara-panjakana rehefa hanao handrana, fanamarinana sy fanaparaham-penitra izy ireny. Ny sampandraharaha eto an-toerana dia tokony ho afaka hisahana ny 60 ka hatramin’ny 75 isan-jaton’ny filan’ny orinasa. 60. Asa goavana ny fametrahana rafi-pirenena misahana ny fampanarahan-drefy, fampanaraham-penitra, handrana sy fanamarinana kalitao. Lafiny roa no tafiditra amin’izany dia ny fametrahana rafi-pirenena fanomezam-panamarinana ary ny fananganana ivontoerana fanaovana fitiliana rehefa fantatra ireo vokatra misy na hisy ary rehefa novidiana ireo fitaovana fitiliana mifanaraka amin’izay ilaina. Azo atao tsara ny maka hevitra avy amin’ ny traikefa azon’ny Nosy Maorisy amin’ny fametrahana foto-drafitrasa teknolojika (jereo ny faritra voasoritra ao amin’ ny pejy manaraka). Ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana ny Indostria (ONUDI) dia manana traikefa goavana amin’ny fanohanana amin’io lafiny io ka afaka hanampy tokoa. 20 Maorisy: traikefa eo amin’ny fametrahana foto-drafitrasa misahana ny hairaha Ny fitomboan’ny fanondranana entana voaodina tao Maorisy dia nombàna fametrahana rafitra mpanohana eo amin’ny hairaha izay ahitana lafiny tsara maro. Mivondrona ao amin’io rafitra io ny rantsamangaika vitsivitsy izay misahana ny fampanarahan-drefy, ny fampanaraham-penitra, ny handrana, ny fanamarinana kalitao, ny fanatsarana ny tahampamokarana, ny fanofanana, ny fanohanana ny orinasa madinika sy salantsalany, sy ny fanapariahana ny hairaha – izay samy nohatsaraina avokoa tao anatin’ny taona vitsivitsy. Tsara ho singanina amin’ireny rantsamangaika ireny ny Birao Maorisiana misahana ny Fampanaraham-penitra (BNM) sy ny Drafitra Fanapariahana ny Hairaha (PDT). Ny BNM no rafitra ofisialy momba ny fampanarahan-drefy, ny fampanaraham-penitra, ny handrana sy ny fanamarinana kalitao ao Maorisy. Mampiasa olona 63 io rafitra io ka ny 30 amin’ireo dia mpahay siansa, injeniera sy teknisiana. Nitentina 0,8 tapitrisa dolara ny tetibolany tamin’ny 1995/96. Tany amin’ny tapatapany ny taona 90 tany ho any, dia nandray fanampiana mitentina 3,5 tapitrisa dolara avy aminn’y tetikasan’ny Banky Iraisam-pirenana momba ny fanatsarana ny fahafaha-mifaninana ny BNM ary mbola nahazo fanampim-bola mitentina 1,5 tapitrisa dolara avy amin’ny Fanjakana ihany koa. Ho fampiakarana lenta ny fahaiza-manaony dia nanao fifanarahana fampitambarana ho toy ny mpirahalahy tamin’ny ivontoerana any Singapour misahana ny fampanaraham-penitra sy fikaroahana araindostria (SSIR) ny BNM. Hain’i Maorisy tsara ny nanangona fahaizana amam-pahalalana tamin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ ny rafitra efa lasa lavitra kokoa ka nampiakatra betsaka ny fahaiza-manaon’ny BNM ny fiarahany miasa amin’ny tetikasan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny SSIR. Misampana ho enina ny BNM (famaritana fenitra, fiantohana ny kalitao, fampanarahan-drefy, hairaha, ankora simika, tahirin-kevitra) ary mametraka ho tanjony ny hiantoka ny 50 isan-jaton’ny tetibolany ato ho ato. Tahaka izay fahita any amin’ny tany mandroso dia andoavam-bola ny handrana sy ny fiantohana kalitao ataon’ny BNM. Mihevitra ny hametraka rafitra fankatoavana ny ivontoerana tsy miankina fanaovana handrana sy fampanarahan-drefy ny BNM. Filàna mila valiny haingana izany ho an’ireo ivontoerana 25 tsy miankina ao amin’ny firenena maorisiana izay liana ny amin’izany fankatovana izany. Araka ny hevitr’ireo orinasa mifandray aminy dia avo lenta ny asan’ny BNM. Izany kalitao sy fahombiazan’ny BNM izany dia anisan’ny antony nahatonga ny fitomboan’ny isan’ny orinasa maorisiana nahazo ny fanamarinana ISO (92 tamin’ny faran’ny taona 1999 ary 210 tamin’ny faran’ny taona 2002) ka nametraka an’ny Nosy Maorisy ho faharoa aorian’ny Afrika Atsimo eo amin’ny isan’ny fanamarinana ISO ananana aty Afrika atsimon’ny Sahara, na dia firenena kely aza izy. Ny Drafitra Fanapariahana ny Hairaha dia novatsian’ny Banky iraisam-pirenana vola ary nikendry ny hisian’ny tsena ho an’ny hairaha amin’ny alalan’ny fampidinana ny vidiny mandritra ny fotoana voafetra. Ny hevitra tao ambadika izany dia toy izao : hatao izay hisian’ny tinadin’ asa mahakasika ny hairaha avy amin’ny orinasa tsy miankina amin’ny alalan’ny fandoavana ny ampahany amin’ny vidin’izany asa izany. Ny nantenaina tamin’izay dia ny ahatonga ny orinasa tsy miankina hampiasa ireo rafitra maro misahana ny hairaha izay efa nisy tao amin’ny firenena ka ahatonga azy ireo ho eken’ny tontolon’ny indostria. Nanomboka tamin’ny taona 1994 izany tetikasa izany ary novatsiana vola mitentina 2.7 tapitrisa dolara mandritra ny efatra taona. Napetraky ny Ministeran’ny Indostria izy io ary notantanan’ny orinasa tsy miankina iray. Ny tetikasa no mandoa ny 50 isan-jaton’ny vola lanin’ny orinasa amin’ny asa fanatasarana ny fahafahany mifaninana amin’ny alalan’ny hetsika toy ny fanatsarana ny taham-pamokarana, ny fanatsarana ny kalitao sy ny endriky ny vokatra sy ny fikarohana hairaha vaovao. Mahazo fanohanana ara-bola ny orinasa any amboalohany rehefa mividy ireo karazan’asa ireo ary mandoa azy amin’ny fahafenoiny kosa any aoriana. Fahombiazana tanteraka no azon’ny tetikasa araka ny fanombanana mialoha lalana. Mbola tsy notanterahina kosa ny fanombanana farany kanefa efa maro ireo porofo ahazoana milaza fa ny orinasa izay nandray tombontsoa dia afaka nampitombo ny fidiram-bolany sy ny habetsaky ny fanondranany. Tahirin-kevirtra: Lall et Wignaraja (1998), nalaina avy tao amin’ny « Raport sur le développement industriel 2004 », ONUDI 21 D4. FANAVAOZAN-DRAFITRA/FAMPIAKARANA LENTA NY INDOSTRIA 61. Noho ny fikasana hivelatra amin’ny tsena iraisam-pirenena dia lasa laharampamehan’ny Fanjakana ny fanavaozana ny rafitry ny indostria sy fampiakarana lenta azy mba ahafahan’ny indostria Malagasy mifaninana amin’ny hafa sy hananany rafitra sy mpiasa mahomby. 62. Mba tsy hitondran’ny fanalalahana voka-dratsy na koa aza fihenan’ny indostria toy izay tany amin’ny firenena sasany, indrindra ny firenena afrikana, izay tsy nametraka aro-loza sy fepetra mpambomba, dia ilaina ny ny mametraka haingana ireto manaraka ireto: • Mifandinika amin’ny solontenan’ny sehatra tsy miankina ny Fanjakana ka manapaka sy manatanteraka fepetra ampombàna mandritra ny fotoana tetezamita; • Ireo orinasa indostrialy rehetra izay tena mamokatra sanda hary dia manaiky ny hiezaka marina ka hiroso amin’ny fandaharan’asa fampiakarana lenta sy fanatsarana mba hanatratrarany sy hihazonany ny fenitra fifaninanana eo amin’ny sehatra iraisampirenena. 63. Tokony ho voafaritra mazava ny faharetan’ny fepetra ampombana ary tsy tokony hiantoka tombom-barotra voafetra na anjaran-tsena voafetra ho an’ny orinasa satria ny fanohanana ara-bola dia matetika mahatratra ao aoriana fa tsy mampandroso ho amin’ny fiovana sy fanaovazana. 64. Ny paikady fanavaozan-drafitra sy fampikarana lenta dia novolavolaina sy natomboky ny ONUDI tamin’ny 1995 ho famaliana ny fangatahana nataon’ny firenena sasany atsimon’ny Ranomasina “Méditerranée”, ny firenena any Eoropa Atsinanana sy any Azia. Izany fanampiana izany dia tafiditra ao anatin’ny sokajin’asa “kalitao sy taham-pamokarana” ka mikendry ny hanampy ny firenena tsiraray eo amin’ny fampivelarana ny fahafaha-manaony amin’ny fanatasarana ny taham-pamokarana, ny fahafaha-mifaninana sy fitomboany. 65. Ho dinihana amin’ity tapany ity sy ny tapany taloha ny momba ny fanafamisana ny harena maha-olona. 22 Fandaharana faobe fanaovazan-drafitra sy fampiakarana lenta – ONUDI Lafiny voalohany Fanampiana amin’ny famolavolana, fanatanterahana ary fanjohina tetikasam-pirenena ho fanavaozandrafitra sy fampiakarana lenta ny indostria (mpandray tombony : Ministeran’ny Indostria) Vokatra I Hetsika 1 Hetsika 2 Hetsika 3 Hetsika 4 Vokatra II Hetsika 1 Hetsika 2 Vokatra III Hetsika 1 Hetsika 2 Hetsika 3 Vokatra IV Hetsika 1 Hetsika 2 Hetsika 3 Lafiny faharoa Vokatra 1 Hetsika 1 Vokatra II Hetsika 1 Hetsika 2 Hetsika 3 Vokatra III Hetsika 1 Hetsika 2 Hetsika 3 Vokatra IV Hetsika 1 Hetsika 2 Hetsika 3 Lafiny fahatelo Vokatra I Hetsika 1 Hetsika Hetsika Hetsika Hetsika 2 3 4 5 Fandrafetana ary fanohanana amin’ny fanatanterahana fandaharan’asa fanaovazan-drafitra Mandrafitra sy manampy amin’ny fanatanterahana fandaharan’asa fampiakarana lenta Fantarina izay handrafitra ny Komity Mpitantana sy ny rantsamangaika hanatanteraka ny fandaharan’asa ; fantarina ireo rafitra hafa hifandraisana Mamolavola fandaharanasa fampahafantarana sy fanentanana Manangana vondrona manam-pahaizana manokana manatanterana ny fandaharan’asa fanaovazan-drafitra/ fampiakarana lenta Famolavolana ary fametrahana ho ofisialy ny fepetra fiasana sy ny fitsipika mifehy Atao ofisialy ny fepetra sy fomba fanatanterahana ny fandaharana asa fampiakarana lenta Avaozina ireo lalàna sy fitsipika mifandraika mivantana amin’ny fampiakarana lenta ny orinasa Fanadihadiana sy fananganana tahiry ho an’ny fanavaozan-drafitra/fampiakarana lenta Fakafakaina ny toe-java-misy eo amin’ny famatsiam-bola ho an’ny fampiasam-bola mivaingana na tsy mivaingana Dinihana ny fahafaha-manangana tahiry ho an’ny fanavaozan-drafitra/fampikarakana lenta Manampy amin’ny fananganana ny tahiry sy ny famolavolana ny fomba fiasany Fanadihadiana entina mamolavola tabilao fanjohiana ny fampiakarana lenta Fantarina ny filàna amin’ny alalan’ny fanadihadiana ireo mpandray anjara Faritana ny rafitra hampidirina amin’ny solontsaina ny ankoran-kevitra, ny hikirakiràna azy sy hamerenana azy, faritana ny fepetra teknika, ara-bola sy ara-pitsipika momba ny fandehany Ankatoavin’ny komity mpitantana sy tanterahiny ny tetikasa Fanamafisana ny fahafaha-manaon’ny rantsamangaika manohana ny indostria (mpandray tombony: ny rafitra mpanohana) Fanamafisana ny fahafaha-manaon’ny birao mpanao fandinihana sy fanadihadiana ary ny banky Atao ny fanofanana iray momba ny fanombanana ny paikady misy sy ny drafitra fampiakarana lenta Fanamisana ny fahafaha-manaon’ny rafira misahana ny fampanaraham-penitra sy ny fanamarianana Tombanana ny entimanana sy ny mpiasa misy amin’ireo fotodrafitrasa manaraka kalitao Arafitra ny fandaharana iray entina mampiakatra lenta sy manamafy ny fahafaha-manaon’ny rafitra miandraikitra ny fampanaraham-penitra, fanamarinana sy fampahanaran-drefy Ampiana ny rafitra miandraikitra ny fampanaraham-penitra, fanamarinana sy fampahanaran-drefy mba hahazo fankatoavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenana Fanamafisana ny fahafaha-manaon’ny ivotoerana teknika Tombanana ny toerana misy ny rafitra fanohanana sy famporisihana ny fanondranana sy ny fidirana amin’ny tsena iraisam-pirenena Arafitra ny fandaharanasa iray entina manamora ny varotra iraisam-pirenena Ampiana ny fanatanterahana ny fandaharanasa Fnamafisana izay ho enti-momba ny varotra ivelany Tombanana ny zava-misy ankehitriny mikasika ny fombàna sy ny fampirisihana ny faonondranana sy y fidirana amin’ny tsena iraisam-pirenena Arafitra izay fandaharanasa fanampiana hanamoràna ny varotra iraisam-pirenena (na Fanamoràna Varotra ) Ampiana ny fanatanterahana ny fandaharanasa Fandaharanasa fanohanana ny fanavaozan-drafitra sy fampiakarana lenta orinasa fitaratra notsongaina tamin’ny ireo sehatra laharam-pamehana (Mpandray tombony : orinasa) Tatitra momba ny fanombanana natao ho fampiakarana lenta ny orinasa tsirairay izay notsongaina Fanombanana ireo vokatra sy tsena mifanaraka aminy ary fijerana ny anjara toerana amin’ny lafiny stratejika Fanombanana ara-bola Fanombanana ny fahafahana sy fahaiza-mintantana Fanombanana ny fahaiza-manao teknika sy ny kalitao Fandrafetana ny tatitry ny fanombanana C.T M.T X X X X X X X X X X X X X X X C.T X X X X X X X X X C.T M.T X X X X X Fisafidianana ny paikady entina mampiakatra lenta ny orinasa tsirairay avy Fandinihana ireo paikady azo heverina Fisafidianana ny paikady entina mampiakatra lenta ny orinasa tsirairay avy X X Vokatra III Hetsika 1 Drafitra fanatanterahana Fandrafetana drafitra fampiakarana lenta izay mety ho vatsian’ny banky vola X Vokatra IV Hetsika 1 Hetsika 2 Fanohanana mivantana amin’ny fanatanterahana Fanofanana Fanampiana amin’ny fanatanterahana ary fanaraha-maso ny fampiasam-bola amin’ny zavatra tsy mivaingana toy ny fanamarinana ISO, ny fampahafantarana ny HACCP, ny fitadiavana fiombonan’antoka ... 23 X X X Vokatra II Hetsika 1 Hetsika 2 Tahirin-kevitra : «Guide Méthodologique : Restructuration, Mise à Niveau et Compétitivité Industrielle», ONUDI 2002. M.T X X X X D5. FANAPARIAHANA NY INDOSTRIA SY FANAMAFISANA ORINA NY IVONTOERAM-PARITRA (CERDIC) MOMBA NY FAMPANDROSOANA ARA-INDOSTRIA SY ARA-BAROTRA 66. Ho famporisihina ny mponina (indrindra eny ambanivohitra) hiroso amin’ny fandraharahàna dia tokony hapetraka ny rafitra manapariaka ny indostria. Izany indrindra no tanjon’ny MAP tamin’ny fanoritany ny fananganana Ivontoeram-paritra momba ny fampandrosoana ara-indostria sy ara-barotra (CERDIC). Hamafisina orina ireny ivontoerana ireny mba ahafahany manohana ny orinasa salantsalany sy madinika ary tena madinika. Ho rafitra miandrakitra ny fampandrosoana izy ireny na dia tsy afaka manatanteraka fizahana sy fanamarinana aza eo amin’ny sehatry ny indostria. Handray anjara ihany koa izy ireny amin’ny fampivelarana sehatra iforonana sy itomboan’ny orinasa sy vondron’orinasa. 67. Ho fampiroboroboana ny fanapariahana ny indostria amin’ny sehatra midadasika dia tokony hisy fanohanana ara-drafitra mahomby izay hanampy eo amin’ny fitadivana loharanonkairaha sy eo amin’ny fampitana izany hairaha izany amin’ireo orinasa maniry hanomboka karazan’asa vaovao. Izany fanohananana ara-drafitra izany dia mety hiendrika ho fanelanelanana izay manamora ny fidirana hairaha mifanaraka amin’ny toetoetry ny orinasa Malagasy. Ny CERDIC dia afaka manao tsara izany asa fanelanelanana izany. 24 D6. FITAOVANA ARA-BOLA 68. Ny rafitra ara-bola misy eto Madagasikara dia tsy ampy hadiry ka tsy afaka nampiroboroana firy ny toe-karena. Tsy mbola mifototra amin’ny vola ny ampahany be amin’ny toe-karena Malagasy, kely ny fampindram-bola ho an’ny sehatra tsy miankina ary mbola mifototra be amin’ny lelavola ny toe-karena (jereo tabilao eto ambany). Izany rehetra izany dia tsy mitarika ho amin’ny fitomboan’ny toe-karena ateraky ny sehatra tsy miankina. Antontan’isa momba ny vola any amin’ny firenana vitsivitsy, 2005 Isan’jaton’ny hari-karena faobe Vola misy Fampindramam-bola ho an’ny sehatra tsy miankina Isan’jaton’ny vola misy Vola mandeha Madagascar 21,6 09,9 27,5 Mozambique Maurice Afrika Atsimo Bangladesh Vietnam Jamaique 28,4 85,8 71,2 39,0 82,4 37,6 13,9 58,2 74,1 28,7 66,0 16,9 16,9 … 04,9 … 19,0 12,2 Loharanon’ny isa: “IMF country staff report for the 2007 Article IV Consultation, June 6, 2007” 69. Marary ny rafitra ara-bola eto Madagasikara satria tsy ampy ny fifaninana ary tsy ampy ny fahazoana mindrana vola amin’ny fe-potoana maharitra sy lavitra ezaka. Aleon’ireo andrim-pitantam-bola miaro ny tenany amin’izay fahavoazana mety hanjo ary lafo dia lafo ny fanelanelanana ara-bola. Noho ireo antony ireo, dia ampahany betsaka amin’ny filàn’ny sehatra tsy miankina amin’ny vola indramina no tsy feno. Na dia ny findraman’ny orinasa madinika sy salantsalany vola amin’ny fe-potoana fohy aza dia tsy ampy. Misy ihany ireo andry fampindramam-bola madinika manohana ny hetsika madinika ataon’ny sehatra tsy miankina kanefa ambony loatra ny zana-bola takian’izy ireo ( 3 isan-jato isam-bolana). 70. Tsy ilaina intsony angamba ny milaza indray fa zava-dehibe ho an’ny fitomboan’ny harin-karena sy ho an’ny fampandrosana ny toe-karena ny fisian’ny tsenam-bola mahomby. Anisan’ny sakana goavana tsy mampivelatra ny fambolena sy fiompiana ary ny fanodinana vokatra any ambanivohitra ny tsy fisian’ny bankin’ny tantsaha sy ny maha-kely ny fampindram-bola madinika ho an’ny tontolo ambanivohitra. Amin’izao fotoana izao dia mandinika izay hampitomboana ny fafaha-mindram-bola ho an’ireo mpandraharaha tsy miankina ny Fanjakana. Anisan’ny fepetra eritreretiny amin’izany ny fitataovana hetra ny ambim-bola mipetra-potsiny any amin’ny banky. Dinihana ihany koa ny fepetra hafa toy ny famporisihana ny banky hampitombo ny fampindram-bola ho an’ny tontolo ambanivohitra amin’ny fanerena azy hanokatra masoivoho any ambanivohitra isaky ny masoiviho sokafana an-tanan-dehibe. 25 D7. NY RAFI-PIRENENA MOMBA NY FITONDRANA HEVI-BAOVAO EO AMIN’NY SEHATRY NY INDOSTRIA 71. Manizingizina ny tatitry ny ONUDI momba ny fampandrosoana eo amin’ny sehatry ny indostria fa zava-dehibe ny fanatsarana ny fahafaha-mifaninana amin’ny alalan’ny hevibaovao sy ny fianarana amin’ izay ataon’ ny hafa. Zava-dehibe ihany koa ny fametrahana ny fampivelarana ny indostria ho fanoitra entina miady amin’ny fahantrana sy ny fanatsarana ny fahafaha-manao entina miala amin’ny fahatràrana ao aoriana izay misy amin’izao fotoana. Toy izao ny endriky ny rafitra momba ny fitondrana hevi-baovao mety indrindra: ireo anjerimanontolo dia mamokatra fahaizana amam-pahalalana vaovao izay ampiharin’ny foibe fanandramana sy fitiliana (laboratoire) ary ampiasain’ny orinasa mavitrika hamokarana entana hamidiny. Ilaina dia ilaina ny fisian’ny fiara-miasa toy izany amin’ny sehatra maro. 72. Loharanon-karena ny fahaizana amam-pahalalana ary hery kosa ny hevi-baovao. Ilaina ny mamorona zava-baovao raha tiana handroso araka izay mety ho tratrany i Madagasikara. Indreto misy toro-hevitra tsara ampiharina eo amin’ny famolavolana tetikasampirenana ho fanamafisana ny rafitra fitondrana hevi-baovao eo amin’ny sehatry ny indostria: • Atao ny fanadihadiana ahitana ny fivelarana sy fahombiazan’ny rafitra fitondrana hevibaovao misy amin’izao fotoana izao. Io fanadihadiana io dia tokony hamoaka ny hevitra fototra izay handrafitra ny politika momba ny hairaha manohana ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny sehatry ny indostria; • Ampiasaina mba hitondra vokatra araka izay ilàna azy ny ankoran-kevitra ananana momba ny hairaha sy ny fikarohana ary fampandrosoana. Izany dia ahafahana mamaritra ny hetsika tokony hatao hitrandrahana ny toe-java-mitranga; • Atsangana ny ivontoerana misahana ny hairaha izay mitovy lenta amin’ireo ivontoerana iraisam-pirenena. Anisan’ny fomba ahatongavana amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ireo anjerimanontolo any ivelany; • Apetraka ny tontolo manamora ny fandraharahàna sy mamporisika ireo mpandraharaha hampiasa ny hairaha hisian’ny fitomboana mavitrika eo amin’ny toe-karena; • Apetraka ny fepetra fampiasam-bola vahiny izay mandrisika ny fiombonana antoka arabarotra sy manamora ny famindrana hairaha amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahafahana mivoatra handray ireny hairaha vaovao ireny ka hampiasa sy hampifandrindra azy amin’ny filàna eto an-toerana; • Apetraka ny fiainam-piaraha-monina izay manome hasina manokana ireo manampahaizana eo amin’ny lafiny hairaha; • Amporisihana ireo manam-pahaizana momba ny hairaha mba hamoaka ny vokatry ny fikarohana nataony; • Tohanana ireo hetsika famoronana sy fanavaozana eto an-toerana. 26 Tahiry nanovozan-kevitra 1. MAP – Madagasikara Amperin’Asa 2007-2012 : Un Plan Audacieux pour le Développement Rapide (Tahirin-kevitra ofisialin’ny Fanjakana Malagasy, 2007) 2. Vina « Madagasikara, araboajanahary » (Tahirin-kevitra ofisialin’ny Fanjakana Malagasy, 2004) 3. Programme National d’Appui au Secteur Privé (PNSP) (Tahirin-kevitry ny Ministera miandraikitra ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, Septambre 2005) 4. Politique Nationale de Promotion des PME (Tahirin-kevitry ny Ministera miandraikitra ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, Janoary 2007) 5. Madagascar : Un nouvel élan, de nouveaux défis (Tahirin-kevitry ny CERIC, site web : www.economie-madagascar.com), Aprily 2007) 6. UNDAF Madagascar 2008-2011 Plan Cadre des Nations Unies pour l’Assistance au Développement, juin 2007 7. Vision Industrie 2010 : Les Facteurs Clés pour une Stratégie de Développement Industriel à Madagascar Manifeste du Syndicat des Industries de Madagascar (SIM), 2007 8. Session Extraordinaire de la Conférence des Ministres Africains de l’Industrie (CAMI) 24-27 septembre 2007, Gallaher Estate, Midrand, Gauteng, South Africa 9. Madagascar: Cadre Stratégique pour la Promotion de la Croissance Manufacturière durant les Dix Prochaines Années (2006-2016) (rapport de la mission de Hai Nguyen Thanh en 2005 dans le cadre de la LPI) ONUDI, octobre 2005 10. Appui au Développement et à la Dynamisation du Secteur Privé : Programme Pilote Pour la Réduction de la Pauvreté à Madagascar Programme de coopération Madagascar-ONUDI (2005-2008) 11. Guide Méthodologique : Restructuration, Mise à Niveau et Compétitivité Industrielle (document ONUDI, août 2002) 12. IMF country staff report for the 2007 Article IV Consultation, June 6, 2007 13. Renforcer le Secteur Privé dans les Pays en Développement : L’Expérience des Pays du Mékong (par Federico Bonaglia, Etudes du Centre de Développement, OCDE 2006) 14. Building Knowledge Economies : Advanced Strategies for Development World Bank Institute (WBI) Development Studies, 2007 27