Télécharger la version PDF
Transcription
Télécharger la version PDF
Mada-Géo Journal des Sciences de la Terre publié par l’Institut et Observatoire de Géophysique d’Antananarivo Prix : 5 000 fmg Vidiny : 1 000 ariary Editorial NY FIANARANA SY NY ANDAVANANDRO Mampikaikaika ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ny fahasarotan’ny fanabeazana amin’izao vanin’andro iainantsika izao. Re ombieny ombieny avy amin’ireo efa bebe taona ny maha-hafahafa kokoa toe-tsain’ny ankizy sy tanora taloha mihoatra amin’ny ankehitrio. Taloha tsy dia nisy ny sekoly nahazoana nandrato fianarana, ny azo atao hoe sekoly dia ny firesahana amin’ireo “ela nihetezana lava volo”, ary koa ny firotsahana avy hatrany amin’ny asa fiompiana, na fambolena na tao-zavatra. Vokany, ny zandriolona dia nanaja sy nankatò ny tenin’ireo mety ho zoky rehetra ary tsy nisalasala nangataka ny toro-heviny sy torolàlany raha sendra olana saro-bahàna. Telopolo na efapolo taona lasa izay, dia nanana ny hasiny tokoa izany atao hoe fianakaviana, mifanerasera akaiky ny mpianakavy ary manana ny toerana maha-izy azy na ny ray aman-dreny na ny zanaka. Reharehan’ny ray aman-dreny ny hamaroan’ny zanaka, antoky ny fitohizan’ny anaran-dray sy reny. Rehareha sy anton-draharahan’ny zanaka ihany koa ny manampy sy mitsimbina ny ray aman-dreny nahitàna masoandro, hafa ihany izany hoe velon-dray aman-dreny, tsy mihevitra mihitsy ny tsy hamaly babena, indrindra eo amin’ny fahanterany. Mora dia mora tamin’izany ny miaina ilay antsoina hoe “tsy misara-mianakavy”. Tao ankohonana no tena fanabeazana sy fianarana. Etsy andaniny koa, karazan’olona nanana andraikitra amin’ny fiaraha-monina sy ny fitondràna no afaka nampiana-janaka. Tamin’izany dia re ny hoe : “ny zanaky rizareo ireny anie ka mianatra any an-tanàn-dehibe e !”, tsapatsapa tao an-tsaina, nanjavozavo tao, fa mety ilaina ihany ny mianatra. Mety ho iry antony iry, na izato antony izato, na antony maro mifamahofaho no nahatonga ny fiheverana fa tsy dia mitondra mankaiza loatra ny mandia fianarana, hany ka ho an’ny ray aman-dreny maro loatra - dia aleo ny ankizy mba handray andraikitra dieny mbola kely, andraikitra toy ny fanondrahana ànana, ràry, tenona, fiandrasana fody eny an-tanimbary, fiandrasan’omby, fandroahantsarety, fivarotan’enta-madinidika samihafa, sns…, ny fambollena manginy fotsiny ! Amin’izao fotoana izao dia ny ray aman-dreny sasany mihitsy no mampirisika ny zanany hitady vola raha vao mananika ny faha-roambin’ny folo taonany ny ankizy : ny vavikely mikarama amin’ny sasa lamba na asa an-trano na varobarotra, ny laikely alefa manao tsiakelika amin’ny fanorenan-trano na fanamboarana fiarakodia, ny tena tsara hono hoe dia ny manao edy saofera ! Zary resabe fotsiny ny zòn’ny ankizy hianatra an-tsekoly mba hivelàran’ny sainy. Mila fanovàna izany trangan-javatra izany ka ny lamim-panabeazana no anisany tokony havaozina. Hita taratra amin’ny lafin-javatra maro ao amin’ny fiaraha-monina fa tsy mahomby araka ny tokony ho izy ny fampianarana. Maro ny antony, ary anisan’izany ny tsy fahampian’ny karama iveloman’ny mpampianatra ka zara raha mahavita ny programampampianarana, indrindra moa rehefa tsy kilasimpanadinana no sahaniny. Ao ihany koa ny tsy fisian’ny fampirisihana, fampirisihana miendrika maro ary mety ho valin’ireto fanontaniana sasantsany manaraka ireto. Tetik’ady inona no maharesy lahatra ny ray aman-dreny mba handefasany ny zanany antsekoly sy hankahery azy amin’izany ? Fomba ahoana ny hanatsaràna ny vokatra azon’ny mpianatra ? Mila hatsaraina ve ny toeram-pianarana sy/na ny manodidina azy ? Isaky ny firy volana na firy taona no hiofana ny mpampianatra ? Ahoana ny andrefesana ny fahombiazana amin’ny fanabeazana isa-tsokajy : fiaraha-monina, mpampianatra, ray aman-dreny, mpianatra ? Mazava loatra fa ny fahombiazana amin’ny sampammpanabeazana dia miantraika avy hatrany eo amin’ny toe-tsain’ny mponina, ny fifandraisany, ny fivoarany. Any amin’ny firenena mandroso dia mahavita hatrany amin’ny kilasy famaranana ny ankamaroan’ny mponina ; isika Malagasy dia ho vanona koa, raha manatanteraka ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay ! SOMMAIRE Matoan-dahatsoratra : ny fianarana sy ny andavanandro ….................................................. 46 Année-type et journées-types du rayonnement global de 1962 à 1969 à Antananarivo ............................ 47 Variabilité spatiale des couvertures latéritiques et des effleurements de roches granito-migmatitiques de la région d’Ambohidratrimo, centre de Madagascar .. 50 Sakamalao sy havozo : autour de l’éclipse du 21 juin 2002 .................................................................... 56 Directeur de la publication : M. RATSIMBAZAFY Bruno Rédacteur en chef : Mme ANDRIAMAMPIANINA Claudine E-mail : [email protected] DL n°11/01/03 imprimerie spéciale Nombre d’exemplaires : 30 Numéro 11 - septembre 2001